Taorian’ny Faritra Analamanga dia tafapetraka ny Komity mpitantana ny U-report tao amin’ny Faritra Anosy.
Ny U-report dia tetikasa iarahan’ny UNICEF Madagasikara sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena manatanteraka, izay entina hakana ny hevitry ny tanora amin’ny alalan’ny finday. Firenena maro ety Afrika no efa mampihatra izany.
Ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora no nanatrika ny fitsanganan’ity komity U-report ity ary nanome fampiofanana azy ireo tao amin’ny Maison des Jeunes Lanirano Faradofay.
Ny taona 2021 no hanapariahana ity tetikasa ity manerana ny faritra eto Madagascar.
«U-report, manandanja ny hevitro».
U-report : Mise en place d’un comité de gestion de projet.
Après le région Analamanga, le comité de gestion U-report a été instauré dans la région Anosy.
U-report est un projet conjoint de l’UNICEF Madagascar et du Ministère de la Jeunesse et des Sports qui vise à obtenir l’opinion des jeunes à l’aide des smartphones. Ce programme est déjà mis en oeuvre dans de nombreux pays d’Afrique.
Le Directeur Général de la Jeunesse a assisté à la création du comité et leur a dispensé une formation au Maison des jeunes Lanirano Fort-Dauphin.
D’ici 2021, ledit projet sera déployé dans toutes les Région de Madagascar.
» U-report, ma voix compte ».