MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIARAHA- MIASA TEO AMIN’NY MINISTERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA ARY NY MASOIVOHON’I FRANTSA: NOELIN’NY RUGBY TAO AMIN’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS AMPEFILOHA

Noho ny fiaraha-miombon’antoka misy eo amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny Masoivohon’i Frantsa, ary indrindra nohon’ny izao fetin’ny Noely 2020 izao dia nisy ny fanolorana:

Baolina rugby 170

,sakafo 250,

mofo mamy 500

zava- pisotro mamy 250,

tee- shirts 170 ,

ho an’ireo ankizy sy tanora sahirana ara- pivelomana miisa 170 avy amin’ireo fokontany manodidina ny Académie Nationale des Sports na ANS Ampefiloha. Miofana isaky ny Alarobia sy ny Asabotsy eo ambany fiahian’ireo teknisiana ato amin’ny A.N.S ireo tanora ireo izay marihina fa misy avy any Toamasina

Andriamatoa Patrick PEREZ, izay «Conseiller d’ Ambassade», no sady «Chef du Service de Coopération Culturelle» ao amin’ny masoivohon’i Frantsa no nanolotra izany, ary tao amin’ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha izay toerana nanaovana ny fampiofanana ireo mpanazatra ihany no nanaovana izany lanonana izany.

Nisy ny lalao ara-pirahalahiana nifanaovan’ny tanora lahy sy vavy miaraka (équipe mixte), ka ny teto Antananarivo sy ny avy any Toamasina no nifanandrina tamin’izany. Fiaraha-misakafo sy korana no namarana izany lanonana izany.

Le Ministère de la jeunesse et des sports en collaboration avec l’Ambassade de France : Noël du Rugby à l’ANS Ampefiloha.

A l’occasion de la fête de Noël, le Ministère de la jeunesse et des sports en partenariat avec l’Ambassade de France a fait don de 170 ballons de Rugby, 250 repas, 500 gâteaux, 250 boissons et 170 tee-shirts pour les enfants et les jeunes des quartiers défavorisés aux alentours de l’Académie Nationale des Sports Ampefiloha. Ces jeunes issus de la Capitale et de Tamatave s’entraînent tous les mercredis et samedis à l’ANS sous la responsabilité des techniciens de l’ANS

Notre donateur n’est autre que le Conseiller d’Ambassade et à la fois Chef du Service de Coopération Culturelle, Mr Patrick PEREZ, au sein de l’Ambassade de France. Cet événement s’est déroulé à l’ANS Ampefiloha.

Pour clôturer l’évènement, un match amical s’est tenu entre les jeunes de Tana et de Tamatave, en équipe mixte (filles et garçons) suivi d’un déjeuner, le tout dans une bonne ambiance de fête de Noël.

Autre Articles

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...

Fifaninanana Robotika

Fifaninanana Robotika

Nahafaly ahy ny nandray ireo tanora 7 hisolo tena an'i Madagasikara any Estonie amin'ny Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny Robotika. Isaorana ny Stem 4 Good izay nampiray ireto tanora avy amin'ny faritra isan-karazany eto Madagasikara. Hanampy azy ireo ny...

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

Tontosa anio 15 Oktobra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa eo amin'ny Malagasy RUGBY sy ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo...