Tanteraka androany Alatsinainy faha 11 janoary 2021, ny fananganan-tsaina voaloany teo anivon’ny Ministeran’ ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
“Ho taom-pahasoavana ho lavitry ny ratsy, ary hitondra antsika ho amin’ny fahombiazana amin’izay rehetra ho kasaina sy hiriana atao amin’ ity taona ity.” Izany no teny firariantsoa noentin’Adriamatoa Minisitra TINOKA Roberto nandritry ny fananganan-tsaina.
!--more-->Taorian’izay no nanaovana ny jery todika ny asa vita hitondrana fanovana ary ny fijerena ny lalana tokony hizorana amin’ity taona vaovao ity.
Mahakasika ny tanora manokana dia efa maro ny asa efa natomboka na teo aza ny olana natrehan’ny firenena manoloana ny aretina Covid-19 izay nametraka takaitra lehibe. Anisan’ny andraikitry ny Ministera ny manome vahaolana sy mamaly ny hetaheta ny tanora amin’ny alalan’ny “Plan de l’Emergence de Madagascar”. Hamafisana ny fiaraha-miasa sy fampandraharahana ny tanora, ary ho hatsaraina ny seha-pihariana ho an’ny tanora ka hatomboka amin’ny tranobe ny tanora izany sy fanamafisana ny fahaiza-manao ireo tanora mpikambana.
Ho an’ny fanatanjahantena kosa, ny taona 2021 dia natao hanokanana ny fotodrafitr’asa izay efa natomboka toy ny kianja miatafo manarapenitra miisa 15, dobo filomanosana olaimpika 2 ary kianja manarapenitra miisa 30. Vinavinaina ho 09 volana ny faharetan’ny fananganana izany. Tanjon’ny ministera ny hitsinjara mitovy ny fananganana fotodrafitr’asa toy izao isam-paritra mba tsy hitanila ary efa ao anatin’ny fanomanana sahady ny fampiatranoana ny lalaon’ny Nosy 2023.
Tsiahivina fa ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana dia misy ny lamina napetraka mikasika ny fanatanterahana ny fananganan-tsaina eo anivon’ny minisitera.
“Ho tohizana ny ezaka efa vita hatramin’izay , mila antsika ny tanora, ary mila tohanana ihany koa ireo mpanao fanantanjahantena”, teny famaranan’i Andriamatoa Ministra.
Le premier lever de drapeau s’est déroulé le lundi 11 janvier 2021.
Le Ministre de la Jeunesse et des Sports a présenté ses vœux à ses collaborateurs et tout le personnel du Ministère.
« Cette année sera une année de grâce, une année qui nous conduira vers le succès que nous nous poursuivons. » Ce sont les mots d’éloges prononcés par Monsieur TINOKA Roberto, Ministre de la Jeunesse et des Sports lors de son discours.
Après cela, il a fait un bref résumé de l’année dernière, dans le but d’améliorer les projets futurs et de définir l’axe à suivre pour la nouvelle année.
Dans le volet jeunesse en particulier, plusieurs programmes ont été initiés, malgré les difficultés du pays face à la pandémie du Covid-19, qui a touché beaucoup de jeunes. L’une des responsabilités du Ministère est d’appuyer les jeunes et de répondre à ses attentes à travers le Plan de l’Emergence de Madagascar. Cette année, nous allons renforcer davantage la coopération du Ministère avec les jeunes et l’entrepreneuriat des jeunes, améliorer le secteur jeunesse en commençant par la réhabilitation et la rénovation de Maisons des jeunes et en renforçant les compétences des jeunes membres.
Pour le volet sport, cette année est dédié à l’inauguration des infrastructures telles que: 15 gymnases couvert, 2 piscines olympiques et 30 stades modernes. La construction dure 9 mois.
Le ministère vise également à répartir équitablement les infrastructures régionales afin de ne pas discriminer.
La construction de ces infrastructures contribuent déjà aux préparatifs pour les Jeux de l’île 2023.
« Nous allons poursuivre les efforts qui ont été faits jusqu’à présent, car les jeunes et les sportifs ont besoin de notre soutien », a-t-il conclu son discours.