MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FARADOFAY: FIJERENA IFOTONY NY FIVOARAN’NY ASA FANAMBOARANA KIANJA MITAFO MANARA-PENITRA VAOVAO.

Notanterahina anio faha 19 janoary 2021 ny fitsidihana ifotony ny fizotry ny asa fananganana ny Kianja Mitafo manarapenitra tao Tolagnaro. Izany dia notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, niarahana tamin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa TINOKA Roberto.Nambaran’ny Minisitra nandritra ny lahateniny androany fa natao izao ho fampitoviana lenta ny vahoaka Malagasy ary nasongadiny manokana tamin’izany ny mahakasika ny tanora. Nohamafisin’Andriamatoa Filoha Andry RAJOELINA fa ho fitsinjovana ny tanora no anton’izao fotodrafitrasa lehibe izao, izay tena aharitra ho lovain’ny taranaka fara-mandimby.

Voalazany ihany koa fa ho moderina ity Kianja mitafo ity ka tsy mena mitaha amin’ny an’ny firenena hafa. Taorian’izay dia nijery ny kianja filalaovam-baolina manarapenitra mifanila amin’ity kianja mitafo manarapenitra ity izy ireo, ary dia hita tamin’izany fa efa vita ny « tapis synthétique ». Nolazain’Andriamatoa Filoha ihany koa fa ho atao manarapenitra ny « Gradin » amin’io Kianja io.

FORT DAUPHIN : Suivi des travaux de construction du nouveau gymnase couvert.

Ce Mardi 19 janvier 2021 a eu lieu la visite des travaux de construction du gymnase à Fort Dauphin. Une visite qui a été dirigée par Son Excellence Monsieur le président de la République, Andry RAJOELINA, accompagné par le Ministre de la Jeunesse et des Sports, TINOKA Roberto. Dans son discours, ce dernier a déclaré que l’objectif de ce projet est d’offrir au peuple Malagasy, plus particulièrement aux jeunes, une infrastructure digne et suivant les normes requises afin de les mettre sur un pied d’égalité. Dans son élocution, le Président Andry RAJOELINA a affirmé que le but de cette importante construction est de soutenir la jeunesse, non seulement pour la génération actuelle mais aussi pour la génération future . D’ailleurs, son excellence a mentionné que ce gymnase sera une fierté pour le peuple Malagasy au regard du monde entier. Après, ils ont inspecté le terrain de football « manarapenitra » se trouvant à côté du nouveau gymnase et ont remarqué que le tapis synthétique était terminé dans les délais impartis. Pour terminer la visite, le Président a tenu à préciser que le Gradin sera amélioré suivant les normes.

Autre Articles

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...

Fifaninanana Robotika

Fifaninanana Robotika

Nahafaly ahy ny nandray ireo tanora 7 hisolo tena an'i Madagasikara any Estonie amin'ny Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny Robotika. Isaorana ny Stem 4 Good izay nampiray ireto tanora avy amin'ny faritra isan-karazany eto Madagasikara. Hanampy azy ireo ny...

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

Tontosa anio 15 Oktobra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa eo amin'ny Malagasy RUGBY sy ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo...