MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FANDAHARAN’ASA YOUTHCONNEKT MADAGASIKARA

Lucienne, tanora 19 taona monina ao Ambovombe Androy dia anisan’ireo tanora nisitraka ny famatsiam-bola tamin’ny Fandaharan’asa « YouthConnekt » ny taona 2019, programa iray natomboka tamin’ny taona 2019 ary natokan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ho an’ireo tanora manana tetikasa. Ny fanefena firavaka volafotsy moa no tetikasa noentiny nifaninana tamin’izany ka izao nahafahany nanokatra ny orinasany manokana izao.

Herintaona aty aoriana, miroborobo tsara ny orinasan’i Lucienne ary mampiasa olona 7 izy ao amin’izany « Bijouterie Ravaka » izany. Tonga nijery ny fizotry ny asany teny an-toerana ny Tale Jeneraly misahana ny tanora, Ramatoa RATOVOSON Juliana ary nanome torohevitra ny amin’ny hanatsarana izany.

Programme YOUTHCONNEKT Madagascar

Tout juste 19ans, Lucienne est une jeune malagasy vivant à Ambovombe, le chef lieu de la Région Androy. Actuellement elle est considérée comme une étoile montante dans le domaine de l’entrepreneuriat. Dans le cadre du programme « youthconnekt madagascar », le Ministère de la Jeunesse et des Sports l’a soutenue afin d’atteindre son objectif. En effet, Lucienne veut être professionnelle dans le domaine de la bijouterie. Alors grace au concours de projet dans le cadre du programme « YouthConnekt » qu’elle a pu décrocher un financement pour réaliser ses rêves. Comme on l’attendait, elle a réussi son pari et possède maintenant sa propre entreprise, connue sous le nom de « Bijouterie Ravaka », et qui compte déjà 7 employés en ce moment. Madame le Directeur Général de la jeunesse, RATOVOSON Juliana a effectué la visite de ladite entreprise à Ambovombe. En tant que femme, jeune, et leader, elle a donné des conseils à Lucienne et lui a montré le chemin à suivre vers le succès.

Autre Articles

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...

Fifaninanana Robotika

Fifaninanana Robotika

Nahafaly ahy ny nandray ireo tanora 7 hisolo tena an'i Madagasikara any Estonie amin'ny Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny Robotika. Isaorana ny Stem 4 Good izay nampiray ireto tanora avy amin'ny faritra isan-karazany eto Madagasikara. Hanampy azy ireo ny...

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

Tontosa anio 15 Oktobra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa eo amin'ny Malagasy RUGBY sy ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo...