MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA BASKETBALL 2020,SOKAJY N1A LEHILAHY SY VEHIVAVY

ASCUT Antsinanana no niverina ho tompondaka rehefa avy nandavo ny GNBC Analamanga.

Taona maro taty aoriana dia niverina ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja Basketball indray ny Association Sportive de la Commune Urbaine de Toamasina na ASCUT nandritra ny lalao famaranana omaly tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Amboara faha enina (6) norombahan’izy ireo izao taorian’ny tamin’ny taona 2008, 2011, 2012, 2013, ary 2014.

Ny ekipan’ny Gendarmerie Nationale Basketball Club (GNBC) no nifanandrina tamin’izy ireo ka nisaraka tamin’ny isa 79-67 ny lalao Famaranana.

Teo amin’ny sokajy Vehivavy kosa dia voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara N1A ny ekipa MB2ALL. Rehareha lehibe ho azy ireo izao fandresena faha efatra (4) maha tompondakan’i Madagasikara azy ireo izao (2011,2013,2018,2020) rehefa nandavo ny SBBC Boeny tamin’ny isa 70-56.

Ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia maneho fankasitrahana manokana ho an’ny Federasiona Malagasy misahana ny taranja Basketball tamin’ny fikarakarana ny lalao Fiadiana ny tompondaka 2020 ity.

Toy izao ny voka-dalao famaranana:

N1A Sokajy Lehilahy:

– Laharana voalohany : ASCUT Atsinanana

– Laharana faharoa: GNBC Analamanaga

– Laharana fahatelo: SEBAM Boeny

N1A Sokajy Vehivavy :

– Laharana voalohany : MB2ALL Analamanga

– Laharana faharoa : SBBC Boeny

– Laharana fahatelo: JEA Vakinankaratra

CHAMPIONNAT DE MADAGASCAR BASKETBALL N1A HOMMES ET DAMES 2020

ASCUT de nouveau championne de Madagascar en maitrisant la GNBC en finale.

Après une longue traversée du désert, Six ans après leur dernier sacre, l’équipe de l’Association Sportive de la Commune Urbaine de Toamasina (ASCUT) est redevenue championne de Madagascar pour la 6éme fois (2008 ; 2011 ; 2012 ; 2013 ; 2014 et 2020) et récupère un titre qui leur échappe depuis 2014 en battant en finale l’équipe de la Gendarmerie Nationale Basketball Club (GNBC) sur le score de 79-67.

Côté FEMININ, les joueuses du MB2ALL remontent au sommet de la N1A dames, et sont sacrées championnes de Madagascar 2020. C’est un titre particulier qui s’ajoute à son formidable palmarès (2011, 2013, 2018, 2020). Elles ont récupéré le titre en remportant la finale 70-56 face à la SBBC Boeny.

Le Ministère de la Jeunesse et des Sports félicite la Fédération Malagasy de Basketball qui a réussi à organiser ce championnat 2020 avec succès.

N1A Hommes:

* – Champion : ASCUT Atsinanana

* – Vice-champion : GNBC Analamanaga

* – 3éme place SEBAM Boeny

N1A Dames :

* – Championne : MB2ALL Analamanga

* – Vice-championne : SBBC Boeny

* – 3ème place : JEA Vakinakaratra

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...