MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FARITRA BOENY: FANAMBOARANA KIANJA MITAFO SY KIANJA FILALAOVANA TENNIS MANARAPENITRA ARY DOBO FILOMANOSANA OLYMPIKA

Nitondra vahaolana ho an’ny fanamboarana ny Kianja mitafo manarapenitra ny Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa TINOKA ROBERTO.Ity farany izay nanatanteraka fidinana teny an-kianja ary namory ireo mpiantsehatra voakasiky ny fanamboarana ny Gymnase izay hahazaka olona 4000 ; fivoriana izay notanterahina tao amin’ny Résidence Mahajanga Be androany. Niatrika izany fivoriana izany Ramatoa VPAN Mahajanga RAHANTANIRINA Lalao sy ny Mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika Ravatomanga Mamy ary ny Governoran’ny Faritra Boeny Andriamatoa Mokhtar Salim Andriatomanga.

Tapaka nandritra ny fivoriana ny tsy ho kitihina ny kianja Rabemananjara fa ho hatsaraina ka hatao akaiky eo ihany ny kianja filalaovana tennis manarapenitra manamorona ny lalàna misy « trois courts » ho an’ny Tennis Club de Mahajanga . Miroso amin’ny fanamboarana ny Kianja mitafo izay hanomboka amin’ny herinandro ambony ka ho hafainganina ny fanamboarana ary ho afaka handray an’ireo taranja sasany amin’ny lalaon’ny Nosy andiany faha -11 amin’ny taona 2023 ny faritra Boeny.

Taorian’izay dia tonga nijery ifotony ny fizotran’ny asa fanamboarana ny dobo filomanosana olympika ao Ampisikina ihany koa ireto delegasiona ireto. Raha ny vinavina dia ho vita amin’ny volana Septambra ny asa hoy Atoa Minisitra. Noho ny fisian’io dobo filomanosana io hoy izy, dia afaka hifaninana tsara amin’ny any ivelany amin’izay ny zanaka Malagasy satria afaka manao fanazarantena mandavan-taona. Nifarana teny amin’ny Quai orange ny fitsidihana izay nijerena ny fizotry ny asa fandrakofana pavés iny faritra iny.

RÉGION BOENY: CONSTRUCTION DU NOUVEAU GYMNASE, DES NOUVEAUX TERRAINS DE TENNIS ET DE LA PISCINE OLYMPIQUE

Après une descente sur terrain, le Ministre de la Jeunesse et des Sports, TINOKA ROBERTO a dirigé une réunion à la résidence Mahajanga be, en la présence de Madame RAHANTANIRINA Lalao vice-président de l’Assemblée Nationale et de Monsieur Mokhtar Salim Andriatomanga Gouverneur de la Région Boeny.

A l’issue de cette réunion monsieur le ministre a annoncé le début imminent des travaux de construction du nouveau Gymnase qui pourrait accueillir 4000 personnes à l’endroit du Pas de Fil, la réhabilitation du Stade Rabemananjara et aussi la construction de 3 courts de tennis pour le Tennis Club de Mahajanga.

Par la suite la délégation a effectuée une visite à Ampisikina, pour le suivi des travaux de construction d’une piscine olympique, prévue être livrée en septembre prochain.

Toutes ces infrastructures seraient un atout pour la ville de Mahajanga pour accueillir certaines compétitions durant la 11ème jeux des îles de l’océan Indien 2023. La visite se termine au Quai orange pour la suivie de travaux de recouvrement en pavés des routes dans ce quartier.

Autre Articles

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...

Fifaninanana Robotika

Fifaninanana Robotika

Nahafaly ahy ny nandray ireo tanora 7 hisolo tena an'i Madagasikara any Estonie amin'ny Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny Robotika. Isaorana ny Stem 4 Good izay nampiray ireto tanora avy amin'ny faritra isan-karazany eto Madagasikara. Hanampy azy ireo ny...

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

Tontosa anio 15 Oktobra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa eo amin'ny Malagasy RUGBY sy ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo...