Tanterahina mandritra ny 08 sy 09 febroary 2021 izao ny fivoriam-be virtoaly an’ireo tompon’andraikitra ny Tanora eto amin’ny Faritra SADC, izay nakana ny hevitr’ireo Firenena mpandray anjara ny amin’ny famolavolana ny politika misahana ny fizakan-tenan’ny Tanora.
Mandray anjara mavitrika amin’izany ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena eto Madagasikara amin’ny alalan’i Ramatoa RATOVOSON Juliana, Tale Jeneraly misahana ny Tanora sy Ramatoa JOELISON Voahirana Herimanana, Sekretera Maharitry ny Kaomity Iraisan’ny Ministera momban’ny Tanora (SP/CIMJ).
Aorian’izao fivoriambe nataon’ireo tompon’andraikitra momba ny fampiroboroboana ny tanora izao dia hisy ny fivorian’ireo filan-kevitra Nasionaly ny Tanora.
SADC : PARTICIPATION DE MADAGASCAR AUX RÉUNIONS CONSULTATIVES VIRTUELLES RÉGIONALES POUR L’AUTONOMISATION DES JEUNES
Dans le cadre de la politique d’autonomisation des jeunes de la SADC, des réunions consultatives virtuelles se sont organisées les 8 et 9 février 2021.
Le Ministère de la Jeunesse et des Sports de Madagascar participe activement à cette réunion par l’intermédiaire de Mme RATOVOSON Juliana, Directrice générale de la jeunesse, et de Mme JOELISON Voahirana Herimanana, Secrétaire Permanente du Comité interministériel de la jeunesse.
Cette réunion d’experts en développement de la jeunesse sera suivie d’une réunion des Conseils nationaux de la jeunesse.