Ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano nampanantenain’ny Filoham-pirenena eo amin’ny sehatry ny tanora sy ny fanatanjahantena dia tonga nitsidika ny asa fananganana ny kianja manarapenitra ao Antanambao Ihosy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, ny alakamisy 11 febroary 2021.
Mizotra araka ny tokony ho izy ny fananganana ity fotodrafitrasa ity izay efa vita hatrany amin’ny 90 isan-jaton’ny asa.
Nijery ny toerana hanamboarana ny kianja mitafo manarapenitra izay hatao mifanila amin’ity kianja ity ihany koa ny tenany nandritra izany fidinana ifotony izany ka fantatra fa amin’ny alatsinainy ho avy izao no handrafetana ny vato fototra ho amin’izany.
Tonga nanotrona ny fitsidihana nataon’ Atoa Ministra ireo manam-pahefana isan-tsokajiny tao an-toerana izay notarihin’dRamatoa NOMENJANAHARY André Tafita Sareine, Goverinoran’ny Faritra.
REGION IHOROMBE :
STADE MANARAPENITRA ET NOUVEAU GYMNASE.
Toujours dans le cadre de la mise en oeuvre du « Velirano » du Président de la Republique sur sa promesse concernant la Jeunesse et le Sport, le Ministre de la Jeunesse et des Sports, Mr. TINOKA Roberto s’est rendu à Antanambao Ihosy pour observer de près l’avancement des travaux de construction du terrain synthetique, le jeudi 11 février 2021.
La construction est très bien avancée, 90% des travaux sont déjà atteintes. Monsieur Le Ministre a également visité l’endroit où le nouveau gymnase couvert sera construit.
Le chantier débutera lundi prochain.
Les autorités locales, dirigées par le Gouverneur Régional, Madame NOMENJANAHARY André Tafita Sereine, sont venues accompagner le Ministre à cette descente.