MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

MINISTERAN’NY TANORA SY FANATANJAHANTENA: FIJERENA IFOTONY IREO MPIASAM-PANJAKANA ANY AMIN’NY FARITRA

Mitohy hatrany ny fidinana ifotony tanterahin’ny Ministera ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Nitsidika ireo Fitaleovam-paritra ny irak’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, dia ny Tale misahana ny mahaolona eo anivon’ny Ministera, Ramatoa LYNDA HANITRINIAINA. Faritra telo no voatsidika tamin’izany :

  • 8-9 Febroary 2021: Faritra Haute Matsiatra ;
  • 11 Febroary 2021: Manakara faritra Vatovavy Fitovinany ;
  • 12 Febroary 2021: Farafangana faritra Atsimo Atsinana.

Tanjona ny hijerena ireo mpiasa tena miasa eo anivon’ny Ministera mba ahafahana mamantatra sy mahalala ireo « fonctionnaire fantôme » izay ao anatin’ny paikadin’ny Fitondram-panjakana.

Nisy ihany koa ny fampiofanana sy fampafantarana momba ny asam-panjakana sy ny zo tokony ho sitrahin’ny mpiasa.

Nanazava ihany koa Ramatoa Tale ny amin’ireo sazy mety hiantefa amin’ny mpiasa raha misy ny tsy manara-dalàna.

Etsy ankilan’izany, tsy nijanona tamin’ny fizarana sy ny dinidinika ny amin’ny fampandroasoana ny Ministera fotsiny ny tenany fa nihaino ny olana misy teny ifotony ihany koa.

Fisaorana sy fankasitrahana no natolotr’ireo mpiasa ho an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto ny amin’ny tsy fanadinoany ireo mpiasa any amin’ny faritra.

Marihina fa mbola hitohy eny amin’ny Faritra hafa izao fijerena ifotony izao.

LE MINISTÈRE DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS : INSPECTION DE BASE DES FONCTIONNAIRES DANS LES DIRECTIONS RÉGIONALES

L’inspection des fonctionnaires au niveau du Ministère de la Jeunesse et des Sports se poursuit, administrée par Mme LYNDA HANITRINIAINA, Directeur des Ressources Humaines qui représente Monsieur le Ministre TINOKA Roberto.

Cette fois, 3 régions ont été explorées :

  • 8-9 février 2021 Région Haute Matsiatra;
  • 11 février 2021 – Région Vatovavy Fitovinany (Manakara) ;
  • 12 février 2021 Région Atsimo Atsinanana (Farafangana).

Suivant la stratégie du Gouvernement, l’objectif est d’identifier les « fonctionnaires fantômes » et d’examiner les employés légaux.

D’une part, pour profiter de cette opportunité, une session d’information et de formation sur la fonction publique et leurs droits en tant que citoyen a été menée.

Le directeur a également exposé les sanctions imposées aux fonctionnaires illégaux.

D’autre part, la rencontre ne s’est pas limitée aux partages sur le développement du Ministère, mais elle a été attentive aux situations auxquelles sont confrontés les fonctionnaires.

Les fonctionnaires ont chaleureusement remercié le Ministre TINOKA Roberto de ne pas les avoir oubliés. Il est à noter que l’inspection pour les fonctionnaires des autres régions se poursuivra.

Autre Articles

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...

Fifaninanana Robotika

Fifaninanana Robotika

Nahafaly ahy ny nandray ireo tanora 7 hisolo tena an'i Madagasikara any Estonie amin'ny Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny Robotika. Isaorana ny Stem 4 Good izay nampiray ireto tanora avy amin'ny faritra isan-karazany eto Madagasikara. Hanampy azy ireo ny...

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

Tontosa anio 15 Oktobra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa eo amin'ny Malagasy RUGBY sy ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo...