MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FARITRA BOENY: FANABEAZANA MAHA OLOM-BANONA IREO TANORA.

Tontosa ny faha 12 Febroary 2021 lasa teo ny fanabeazana maha olom-banona ireo tanora anaty fikambanana.

Tanora miisa 120 no niatrika ny fiofanana, solontena avy amin’ny fikambanana Tanora miisa 41 izy ireo.

Lohahevitra noraisina ny hoe: « Ny Zo sy Andraikitrao Tanora Olom-pirenena Vanona ho an’ny Fampandrosoana ». Ny tanjona dia ny hanampiana ny tanora ho sahy handray andraikitra sy hitondra anjara biriky eo amin’ny fiainan’ny firenena indrindra ny hahafahan’ny Tanora olom-pirenena miaro sy mametraka ny safidiny maharitra hampandrosoana ny taranaka amam-para .

Ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto dia manamafy ny maha zava-dehibe ny atao hoe olom-banona raha toa ka te hametraka fampandrosoana maharitra ifotony eto amin’ny firenena.

Izao fampiofanana izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny Fitaleovana misahana ny fanabeazana maha olom-banona, Fandriampahalemana sy ny Fampadrosoana Maharitra eo anivon’ny Minisitera niaraka tamin’ny Fitaleovam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena eto amin’ny faritra Boeny.

RÉGION DE BOENY – MAHAJANGA: ÉDUCATION À LA CITOYENNETÉ DES JEUNES.

Un atelier sur l’éducation à la citoyenneté des jeunes pour les associations a eu lieu à Mahajanga le 12 février 2021.

41 associations de jeunes à Mahajanga, ont répondu à l’appel du Ministère de la Jeunesse et des Sports dont 120 jeunes représentants de leurs associations respectives ont pu y assister.

Le thème est basé sur : « Les droits et les responsabilités des jeunes citoyens pour le développement ». L’objectif est d’encourager les jeunes dans la prise de responsabilités dans la vie nationale et communautaire, en particulier la capacité des jeunes citoyens à adopter un choix qui sera favorable pour le développement des générations futures.

Pour le Ministre de la Jeunesse et des Sports, Monsieur TINOKA Roberto, être civilisé est impératif si nous voulons instaurer un développement durable pour notre pays. Cette formation a été rendue possible et transmise grâce à la collaboration entre La Direction du Civisme, de la Paix et du Développement Durable (DCPD) avec la Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports (DRJS) de la région Boeny.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...