MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FANDAHARAN’ASA PÔLE EMPLOI JEUNE- PLATEFORME HAFA

Noraisin-dRamatoa Juliana RATOVOSON, tale jeneraly misahana ny tanora tao amin’ny biraony tetsy Ambohijatovo ny talata 16 febroary teo ny plateforme « HAFA ».

HAFA dia plateforme ivondronan’ny tanora maro avy amin’ny faritra 22 sy ireo diaspora malagasy monina any andafin’ny riaka. Ivon-toerana manabe sy manofana tanora izay miompana manokana eo amin’ny sehatry ny fandraharahana.

Nandritra io fihaonana io no namelabelaran’ny solontenan’ny fikambanana ireo tetikasan’izy ireo izay mifototra amin’ny fandraharahana, ny famoronana asa sy ny fampiroboroboana ny tanora eny ifotony. Tetikasa izay mamaly sy mifanandrify indrindra amin’ny fandaharanasan’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena « pôle emploi jeune ».

Hisy araka izany ny fiarahamiasa amin’ny plateforme « Hafa », ary nanamafy ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa RATOVOSON Juliana fa misokatra ho an’ny tanora rehetra tsy ankanavaka izay vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

PROGRAMME POLE EMPLOI JEUNE-PALTEFORME JEUNE

Madame Juliana RATOVOSON, Directeur Général de la Jeunesse a reçu la plateforme « HAFA » le mardi 16 février à son bureau à Ambohijatovo.

La plateforme HAFA est un centre d’éducation et de formation sur l’entrepreneuriat pour les jeunes. Elle rassemble de nombreux jeunes venant des 22 régions et les diaspora Malagasy .

Pendant la réunion, la dite organisation a présenté leurs projets basés sur l’entrepreneuriat, la création d’emploi et le développement de la jeunesse au niveau local. C’est un projet qui répond aux attentes du programme « pôle emploi jeune » du Ministère de la Jeunesse et des Sports.

De ce fait, une collaboration sera initiée avec la plateforme «HAFA», et le Directeur Général de la Jeunesse, Mme Juliana RATOVOSON. Cette dernière a confirmé que le Ministère de la Jeunesse et des Sports ouvre sa porte à tous les jeunes désireux à contribuer au Développement.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...