MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FITSENANA IREO LOHOLONA TAO TOLIARA

Tonga tao Toliara omaly Alahady faha 21 Febroary 2021 ireo Loholon’i Madagasikara izay lany tao anatin’ny Faritany Toliara, dia Andriamatoa Ongombelo Marcel, Andriamatoa Rakotomamonjy Neypatraiky sy Andriamatoa Richard Tsiebo Mahaleo ary ny Filoha Lefitra ny Antenimieran-doholona ao amin’ny tapany Atsimo Andriamatoa Nicolas Rabemananjara.

Nanome voninahitra izany fitsenana izany ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no sady Ministra mpiahy ny Faritany Toliara Andriamatoa Roberto TINOKA, miaraka amin’ireo olom-boatendry sy olom-boafidy rehetra ao anatin’ny faritra Atsimo Andrefana.

Araka ny kabary nataon’Andriamatoa Ministra Coach dia hita tokoa ny firaisankinan’ny vahoakan’i Toliara, ary voaporofo izany tamin’ny fahatongavan’izy ireo maro dia maro nanotrona ny fahatongavan’ ireto Loholona ireto. Vonona hifanome tanana amin’ny fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filoha hajaina Andry Rajoelina ny vahoakan’ny Toliara.

ACCUEIL DES SÉNATEURS A TOLIARA.

Les sénateurs élus dans la Région de Toliara ont été accueilli à Toliara hier, dimanche 21 février 2021, qui n’étaient autre que: Mr Ongombelo Marcel, Mr Rakotomamonjy Neypatraiky, Mr Richard Tsiebo Mahaleo et le président adjoint du Sénat Mr Rabemananjara Nicolas.

Etant le Ministre Coach de la Région, TINOKA Roberto, Ministre de la Jeunesse et des Sports a honoré de sa présence à cette accueil ainsi que les hauts responsables de la Région Atsimo Andrefana.

Durant son discours, le Ministre Coach a évoqué la solidarité des habitants de Toliara qui sont venus nombreux à accueillir ses sénateurs. Les habitants de Toliara ont montré leurs motivations et prêts à s’entraider main dans la main avec le gouvernement dirigé par son excellence le Président Andry RAJOELINA.

Autre Articles

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...

Fifaninanana Robotika

Fifaninanana Robotika

Nahafaly ahy ny nandray ireo tanora 7 hisolo tena an'i Madagasikara any Estonie amin'ny Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny Robotika. Isaorana ny Stem 4 Good izay nampiray ireto tanora avy amin'ny faritra isan-karazany eto Madagasikara. Hanampy azy ireo ny...

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

Tontosa anio 15 Oktobra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa eo amin'ny Malagasy RUGBY sy ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo...