MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

CONFEJES : FANOKAFANA SY FAMARANANA NY FIVORIANA FAHA 38

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 26 febroary 2021 teo ny fivoriana faha-38 iraisan’ireo minisitra mpikambana ao anatin’ny CONFEJES. Io fihaonana io dia napetraka teo ambany fiahian’Andriamatoa Roch Marc KABORE, filoham-pirenena Burkina Faso.

Tonga nanome voninahitra izany fotoam-panokafana izany moa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemantan’ny firenena Burkina Faso.

Nisolotena an’Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tamin’izany fivoriana izany, Ramatoa Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena Rosa RAKOTOZAFY, fivoriana izay notanterahina tamin’ny alalan’ny « visioconférence ».

Nandritra io fivoriana io no namelabelarana ny fandaharan’asantsika malagasy izay miompana amin’ny maha zava-dehibe ny tanora sy ny fanatanjahantena ka  mahatonga an’Andriamtoa Minisitra nanatanteraka fidinana ifotony manerana ny faritra sy manao fanaraha-maso ny fanamboarana sy fametrahana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena sy ireo tetikasa maro mahakasika ny tanora malagasy. Ny tanjona dia ny mba hahafahan’ireo mpanao fanatanjahantena malagasy sy ireo tanora hanana sy hampiasa fotodrafitrasa manaraka ny fenitra olaimpika ary koa fotodrafitrasa afaka mandray lalao sy fifaninanana ara-panatanjahantena iraisam-pirenena.

Araka ny fandaharam-potoana nifanarahan’ny rehetra dia nisy ny fivoriana izay tsy azo natrehan’olon-kafa teo amin’ireo minisitry ny fanatanjahantena sy ireo mpitarika ny delegasiaona avy amin’ny firenena maro mpikambana, mba ho fanomanana ireo asa iraisan’ny daholobe.

Taorian’ny fivoriana no nifanarahan’ny rehetra hanendrena ho sekretera jeneraly vaovaon’ny CONFEJES an’ilay vehivavy teratany kamerone Louisette Renée THOBI ETAME NDEDI mandritra ny taom-piasana 2021-2023, izay handray ny andraikiny manomboka ny voalohan’ny volana septambra ho avy izao.

Andriamatoa M. MODIBO TRAORE, talen’ny fandaharan’asa ho an’ny tanora no mitantana vonjimaika ny andraikitry ny sekretera jeneraly taorinan’ny fahafatesana tampoka nahazo ny sekeretera jeneraly amperinasa teo aloha.

Niarahaba ny Sekretera jeneraly vaovao ny Minisitra TINOKA Roberto ary nanome toky ny hiara-hiasa akaiky aminy amin’ny fanatontosana ny asa nampiandraiketina azy.

Nifarana ny sabotsy 27 febroary 2021 ny fivoriana.

Tafapetraka soa amantsara ireo mpikambana vaovao hitantana ny biraon’ny CONFEJES, izay hotantanan’Atoa André Marie NANA, Minisitry ny Fanatanjahantena sy ny Fialamboly ao Burkina Faso, ary Togo sy Maroc no filoha lefitra voalohany sy faharoa.

Ny solontena Maliana kosa no tompon’andraikitra mpanatanteraka ny fanaovana tatitra momba ny asa ankapobeny.

Tafiditra ao anatin’ireo firenena 10 izay mandrafitra ny birao mitantana ny CONFEJES mandritra ny 4 taona i Madagasikara, miaraka amin’ny Canada Nouveau Branswick, Canada Québec, Fédération Wallonie-Bruxelle, France, Mali, Togo, Gabon, Égypte ary Haïti.

Mikasika ny fanampiana sy fanomezan-tànana eo amin’ny fitantanana ary fampandehanan-draharaha dia firenena 3 no tena mandray anjara mavitrika amin’izany dia i Frantsa izay nanolotra 611.000€,  Québec izay nanome 105.000$ ary 5 millions de Francs CFA kosa avy amin’i Mali.

Mali no voafidy handray ny fivorian’ny biraon’ny CONFEJES faha-15 izay kasaina hatao any Bamako amin’ny taona 2022. Ary ny fivoriambe faha-39 kosa dia hotanterahina any Congo Brazzaville ny taona 2023.

Tsiahivina fa ny CONFEJES dia fikambanana iraisam-pirenena izay entina hampiroborobohana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny tanora, ny fanatanjahantena ary ny fialamboly eo anivon’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny frankofonia.

OUVERTURE ET CLÔTURE DE LA 38ÈME CONFÉRENCE DES MINISTRES DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS DE LA FRANCOPHONIE :

L’ouverture Officielle de la 38ème Réunion Ministérielle des 43 pays membres de la CONFEJES au sein de la Francophonie s’est tenue le Vendredi 26 Février 2021 en mode hybride. Conférence placée sous la Haute Présidence de SEM Roch Marc KABORÉ, Président du Faso

Cérémonie d’ouverture honorée par le Premier Ministre, Chef du Gouvernement de la République du Faso.

Monsieur Le Ministre de la Jeunesse et des Sports , TINOKA Roberto a été représenté par le Directeur Général des Sports, Madame Rosa RAKOTOZAFY en mode visioconférence,  au cours duquel nous avons exposé son programme qui s’engage de plain-pied pour servir la noble cause de la jeunesse et des sports. Ce qui l’amène à suivre et à contrôler minutieusement la mise en œuvre de la réalisation des infrastructures sportives et de la jeunesse par des descentes répétées sur le terrain des opérations guidées par l’objectif de mettre à la disposition des sportifs et de la jeunesse malagasy mais également de l’Afrique des infrastructures répondant aux exigences et standars olympiques,  aptes à accueillir les grandes rencontres sportives internationaux.

Suivant l’agenda adopté, une rencontre à huis clos et une concertation des ministres de la Jeunesse et des Sports et des Chefs de délégation ont eu lieu en prélude aux travaux pléniers

À l’issue duquel  la Camerounaise Madame Louisette Renée THOBI ETAME NDEDI a été désignée par consensus pour devenir la nouvelle Secrétaire Générale de la CONFEJES pour le mandat 2021-2023.

Le Ministre de la Jeunesse et des Sports TINOKA Roberto lui a adressé ses sincères félicitations et tout notre accompagnement dans les missions qui lui sont confiées à la tête de l’organisation.

Le samedi 27 février 2021 à marqué la fin de la conférence.

Le Directeur du programme Jeunesse, le Malien M.Modibo TRAORÉ  a été désigné pour occuper le poste de Secrétaire Général par intérim jusqu’à la prise de fonction de la nouvelle Secrétaire Générale qui prendra son poste à partir du 1er septembre 2021.

Le nouveau membre du bureau de la CONFEJES a été mis en place avec SEM Le Ministre burkinabé des Sports et des Loisirs André Marie NANA comme Président en exercice. Il sera respectivement secondé à la 1ère et 2ème vice-présidence par le Togo et le Maroc.Le Mali est désigné Rapporteur Général.

Madagascar fait partie des 10 pays membres du bureau de la CONFEJES pour un mandat de 4 ans avec le Canada Nouveau Branswick, Canada Québec, Fédération Wallonie-Bruxelle, France, Mali, Togo, Gabon, Égypte et Haïti, 

Les réformes institutionnelles de la CONFEJES ont été adoptés.

En terme de contribution pour le bon fonctionnement et pour appuyer tous les programmes de l’organisation, 3 pays se sont distingués dont la France avec une contribution de 611.000 €, le Québec avec 105.000 $ et le Mali,  à hauteur de 5 millions de Francs CFA.

Le Mali abritera la 15éme réunion du bureau de la CONFEJES en 2022. La 39ème Conférence Ministérielle se tiendra au Congo Brazzaville en 2023.

Pour rappel, la CONFEJES est une organisation intergouvernementale qui a pour mandat de promouvoir la coopération multilatérale dans les domaines de la Jeunesse, des Sports et des Loisirs au sein de l’espace francophone.

Autre Articles

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...

Fifaninanana Robotika

Fifaninanana Robotika

Nahafaly ahy ny nandray ireo tanora 7 hisolo tena an'i Madagasikara any Estonie amin'ny Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny Robotika. Isaorana ny Stem 4 Good izay nampiray ireto tanora avy amin'ny faritra isan-karazany eto Madagasikara. Hanampy azy ireo ny...

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

Tontosa anio 15 Oktobra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa eo amin'ny Malagasy RUGBY sy ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo...