MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FITSIDIHANA OFISIALY NY MAISON DES JEUNES ANTSIRANANA.

Notanterahina nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, ny 8 martsa 2021 ny fitsidihana tamin’ny fomba ofisialy ny Maison des Jeunes na ny tranoben’ny tanora ao Antsiranana.

Nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, tamin’izany lanonana izany ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa Juliana RATOVOSON. Olona manan-kaja maro no nanotrona tamin’izany, teo ny Mpandrindra maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara Andriamatoa Issa Sanogo, ireo Solontena maharitry ny UNFPA, ny PNUD, ny ONUDI, ny Tale ny OIT eto Madagasikara, ary ireo manam-pahefana eto an-toerana.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon-dRamatoa Tale Jeneraly no nanambarany ny maha andro lehibe ho an’ny tanora ao an-toerana an’izao fandraisana izao satria raha asa noeritreretina ho vita tao anatin’ny roa volana izay niatomboka tamin’ny volana martsa 2020 dia izao vao tanteraka izany nohon’ny fisian’ny valan’aretina Covid 19 teto amin’ny firenena.

Marihina fa fanatsarana anatiny sy ivelany ary fampitaovana no natao tamin’izany tranoben’ny tanora izany ka ahitana efitrano malalaka iray, efitrano natokana ho an’ny fialamboly, efitrano famakiam-boky, efitrano natao hikirakirana ny solosaina sy ny aterineto, efitrano natokana ho an’ny fiofanana isan-karazany, ny fandraharahana sy ny fahasalaman’ny tanora ary ny farany dia misy dortoir ihany koa ny ivon-toerana.

Notolorany fisaorana ireo mpiaramiombon’antoka tamin’ny nahatanterahan’ny asa ka nosinganina manokana tamin’izany ny “Fonds pour la Consolidation de la Paix” amin’ny alalan’ny tetikasa “Projet Vanille en vue de la prévention de la violence, de la délinquance juvénile et de l’insécurité” eto amin’ny Faritra DIANA sy SAVA, ifandrimbonan’ny UNFPA, ny UNICEF ary ny BIT.

Teo am-pamaranana ny fitsidiana dia notolorana fampitaovana informatika toy ny solosaina, ny imprimante, video projecteur, sy ny maro hafa koa ity Maison des Jeunes ity entina manatevina ny fitaovana ho an’ny tanora.

Nanafatra ireo tanora ny Tale Jeneraly mba hikajy sy ho sarotiny amin’izao fotodrafitrasa izao ary mba hampiasa izany amin’ny antsakany sy andavany mba ho tombontsoa iraisan’ny tanora rehetra.

VISITE OFFICIELLE DE LA MAISON DES JEUNES D’ANTSIRANANA.

La visite officielle de la maison des jeunes d’Antsiranana a eu lieu lors de la célébration de la Journée internationale de la femme le 8 mars 2021.

Le Ministre de la Jeunesse et des Sports, M. TINOKA Roberto, est représenté, lors de la cérémonie, par le Directeur Général de la Jeunesse, Mme Juliana RATOVOSON. De nombreux dignitaires ont assisté à l’événement, dont le Coordonnateur Résident des Nations Unies à Madagascar, M. Issa Sanogo, les représentants permanents du FNUAP, du PNUD, le directeur de l’OIT à Madagascar et les responsables locaux.

Dans son discours, le Directeur Général de la Jeunesse a déclaré que c’est un grand jour pour la jeunesse locale car si les travaux ont dû être achevés dans les deux mois qui ont débuté en mars 2020, ils viennent seulement d’être réalisés en raison de la pandémie du Covid19 dans le pays.

Il convient de mentionner que des améliorations intérieures et extérieures ont été apportées à la maison des jeunes, qui comprennent une grande salle, une salle de loisirs, une salle de lecture, une salle d’informatique et accès Internet et une salle de formation pour la santé et l’entrepreneuriat des jeunes. Le centre dispose également d’un dortoir.

Elle a remercié les partenaires pour l’achèvement des travaux et a spécifiquement dédié le « Fonds pour la Consolidation de la Paix » à travers le « Projet Vanille en vue de la prévention de la violence, de la délinquance juvénile et de l’insécurité » dans les régions DIANA et SAVA, en collaboration avec l’UNFPA, l’UNICEF et OIT.

À la fin de la visite, la Maison des jeunes a bénéficié d’un équipement informatique tel que des ordinateurs, des imprimantes, des vidéoprojecteurs, etc. en vue de compléter le matériel destiné aux jeunes.

Le Directeur Général a fait appel aux jeunes pour qu’ils soient attentifs et responsables à l’égard de cette infrastructure et qu’ils l’utilisent à bon escient pour le bien commun de tous les jeunes.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...