MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

DRJS DIANA: FANARAHA-MASO IREO MPIASAM-PANJAKANA

Mitohy hatrany ny fanaraha-maso sy fitsidihana ireo mpiasan’ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena any amin’ny faritra. Taorian’ny fitsidihana ireo faritra tany amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara dia nisy indray ny fitsidihana ny fitaleovam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tao amin’ny faritra Diana izay nataon-dRamatoa LYNDA HANITRINIAINA Tale misahana ny mahaolona eo anivon’ny Ministera izay irak’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto.

Ity fitsidihana ity dia tafiditra indrindra ao anatin’ny paikadin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny hamantarana ireo « fonctionnaire fantôme « .

Nohazavain’dRamatoa tale nandritra izany koa ireo sazy hahazo ny mpiasa tsy manara-dalàna.

Izany dia narahana fiofanana sy fampahafantarana momba ny asam-panjakana sy ny zo tokony ho sitrahan’izy ireo.

Fanampin’izany dia tsy nijanona tamin’ny fifampizarana sy ny dinika hampandrosoana ny Minisitera ihany ny tenany fa nihaino ireo olana nisy teo amin’ireo mpiasa tany an-toerana.

Mbola hitohy any amin’ny faritra hafa manerana ny nosy izao fitsidihana izao.

DRJS DIANA : INSPECTION DES FONCTIONNAIRES

L’inspection des fonctionnaires dans les Directions Régionales du Ministère de la Jeunesse et des Sports (DRJS) se poursuit.

Après les visites effectuées dans la partie Sud de Madagascar, Madame le Directeur des Ressources humaines, LYNDA HANITRINIAINA, qui représente Monsieur le Ministre Tinoka ROBERTO, a aussi visité la Direction Régionale de la Jeunesse et des Sport dans la Région Diana.

Cette visite fait partie de la stratégie gouvernementale et vise à identifier les « fonctionnaires fantômes ».

Le directeur a également expliqué les sanctions applicables aux employés irréguliers. Cela a été suivi par une séance de formation et d’informations sur la fonction publique et les droits dont devraient jouir les fonctionnaires.

De plus, le DRH du ministère a écouté avec attention les éventuels problèmes sous-jacents dans la Région.

Il est à noter que cette inspection se poursuivra dans d’autres Régions de Madagascar.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...