MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FAMPAHAFANTARANA NY TRANOKALA « E TOOLIA » TAO AMIN’NY ALLIANCE FRANÇAISE ANTSIRANANA.

Ny  » E-Toolia » dia tranokala iray izay novokarin’ny EDBM ho fanampiana ireo tanora sy vehivavy mpandraharaha.

Tao aorian’ny fampahafantarana sy fanolorana ity farany taty Antananarivo ny herinandro lasa izay, dia notontosaina tao amin’ny « Alliance Française » ny an’ i Antsiranana ,izay notronon’i Ramatoa Juliana RATOVOSON Tale Jeneraly misahana ny Tanora sy Andriamatoa Augustin ARISANDRATRA, Talem- paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao Diana.

Ny tranokala dia ahitana ireo fampianarana sy fiofanana maimaimpoana amin’ny lohahevitra maro momba ny :

-Fandrarahana sy fampivelarana ny maha olona.

-Ireo tombontsoa misokatra ho an’ny tanora na eto an-toerana na ny any ivelany

-Tohana amin’ny fanaovana  » Business Plan »

-Ireo tsara ho fantatra rehetra amin’ny antontan- taratasy ilaina sy ny drafitra arahina raha hanangana orinasa

-Ny « appel à projet »,  » coaching sy mentorat » ary ireo fijoroana vavolombelona.

Koa asaina ny Tanora na ny efa misehatra amin’ny fandraraharahana na ny vao hiditra amin’izany hampiasa ny tranokala: www.etoolia.edbm.mg

LANCEMENT DU SITE WEB « E-TOOLIA » A L’ALLIANCE FRANÇAISE DE DIEGO

« E-Toolia » est un site web créé par l’Economic Development Board of Madagascar (EDBM) pour aider les jeunes et les femmes entrepreneurs.

Après sa présentation à Antananarivo la semaine dernière, ce « E-toolia » a été également présenté à l’Alliance Française de Diego assister par Madame Juliana RATOVOSON Directeur Générale de la Jeunesse et Monsieur Augustin ARISANDRATRA, Directeur Régional de la Jeunesse et des Sports à Diego.

Le site web contient des enseignements et informations gratuites sur divers sujets :

-Entrepreunariat et Développement personnel.

-Les bénéfices à la fois localement et à l’étranger

-Appuis pour la création du « Business Plan »

-Les essentiels concernant les paperasses et les étapes à suivre pour la création d’une entreprise

-« Appel à Projet », « coaching et mentorat » et les divers témoignages.

Si vous êtes un jeunes entrepreneur ou nouveau dans ce domaine, on vous invite à visiter le site: www.etoolia.edbm.mg

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...