MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

NAHASARIKA IREO TANORA AVY AO ANTSIRANANA NY « TALK SHOW » MAHAKASIKA NY FANDRAHARAHANA SY NY TRAIKEFAN’ NY FLEURS EVEILLES

Tratra ny Tanjona. Lasa modely alain-tahaka ho an’ny tanora ao Antsiranana ankehitriny i Viviane Raharimanana, ilay Mpandraharaha  tanora  mpanorina ny ivon-toerana fampianarana sy famolavolana ireo tanora marefo monina ao amin’ny « Verrerie » ao antampon-tanànan’i Toamasina.

Nitondra tolon-kevitra maro isan-karazany sy ny  fahaizany manokana momba ny fandraharahana manoloana ny olana samihafa izay nateraky ny valan’aretina Covid19 izy.

Nandalo fahasahiranana ny orinasa nosahaniny tao aorian’ny fihiboana. Koa satria niandrandra fanampiana ara-bola ireo mpiara  miasa aminy mba iantohana ireo adidy maro isan-tokantrano, dia voatery namorona ny tsy misy i Viviane.

 « Navoakako avokoa ireo ravin-damba nisy tao antranoko sy tao an-tranon’ny Ray aman-dreniko hoy izy ary nangonina daholo ihany koa ireo milina fanjairana mba hanamboarana arovava orona vita amin’ny lamba. Izany rehetra izany no nahafahanay nizara arovava miisa 3.000 ho an’ireo mpiara-monina taminay tao « Verrerie »

Izany traikefa niainany izany no nentiny namporisihana ireo tanora maro tonga nanatrika ny « Talk show » nokarakaraina tao amin’ny « Maison des jeunes » nandritra ny herinandro fankalazana ny andron’ny 8 martsa.

Nohon’ny fananany toetra mavitrika sy tia manampy ny hafa dia afaka nanolo-tànana ireo tanora sahirana ara-pivelomana teo amin’ny manodidina ny toera-ponenany izy. Maro ireo hetsika mikasika ny maha olona izay nokarakarain’i Viviane ka anisan’izany ny fanamboarana tetezana ao amin’ny Verrerie mba hanamorana ny fivezivezena eo amin’ny manodidina.

Noho ny fahaizany mifandray amin’ny olona sy noho izy olona tia karokaroka ary olon’ny fifanankalozana ihany koa dia tanteraka ny nofinofin’ity mpandraharaha ity ka afaka nanangana ny ivon-toerana « fleurs évéillés » izy.

Niainga avy tamin’ny famadihana ny asany manokana ho lasa fandraharahana no nananganany ny ivon-toerana.

« Atomboy amin’ny izay eo am-pelantanana ny zavatra atao alohan’ny angatahanao famatsiam-bola amin’ny mpiara-miasa » hoy Izy

« Asehoy ny fahaiza-manaonao, mba ahafahan’ny hafa manome lanja anao. » Samy manana ny heriny, ny traikefany sy ny fahaizany manokana ny olona tsirairay, koa satria  iray ihany ny tanjona sy ny vina dia ny fanambarana ireo rehetra ireo ho iray no ahafahana manova ny mpiara-belona sy ny fiaraha-monina misy azy. »

Izany indrindra no nahafahan’ny « Fleurs éveillés » nisitraka ny tosika sy fanampiana avy tamin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny UNFPA mba nahafahany nampiroborobo ny asa ataon’izy ireo fa indrindra  ny fikarakarana mahakasika ny fahasalamana sy ny mahasoa ireo tanora mpikambana ao amin’io ivon-toerana io.

Nandritra ny « Talk show » dia nisy ihany koa fandraisana anjaran’ny  tanora iray mpandraharaha  avy ao Antsiranana izay misehatra  amin’ny famokarana arina fandrehatra mitsitsy nefa afaka miaro tsara ny tontolo iainana. Ny hafa kosa dia ireo izay misehatra eo amin’ny fahasalamana sy eo amin’ny fampiroboroboana ny maha olona sy ny tanora.

Nofaranana tamin’ny fifampizarana mahakasika  ny fananganana ny « Centre des jeunes » izay mifandraika indrindra amin’ny « association de la jeunesse », ka mifanaraka amin’ny toro-lalana vaovao napetraky ny Fitaleovana Jeneraly ny Tanora.

Tsara ny manamarika fa ny foto-kevitra  noresahina nandritra ny « Talk show » dia niompana indrindra tamin’ny lohahevitra mahakasika ny fankalazana ny 8 martsa tao Antsiranana:


« Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy ».

TALK SHOW SUR L’ENTREPRENEURIAT

LES EXPERIENCES DE FLEURS EVEILLES ATTIRENT LES JEUNES DIEGOLAIS

Objectif atteint. La jeune entrepreneure, Viviane Rahariniaina, fondatrice du centre d’apprentissage et d’encadrement des jeunes vulnérables de Verrerie sis dans la ville de Toamasina devient une source d’inspiration pour les jeunes de Diego. Avec ses milles idées brillantes, jamais à cours d’initiatives, Viviane n’a pas manqué d’apporter ses propres contributions au milieu de la pandémie du covid-19.

Face  au ralentissement de ses activités d’entrepreneurs du au confinement, alors que les salariés doivent mériter une aide financière de sa part afin de subvenir aux besoins fondamentaux de leur foyer, Viviane a dû inventer l’impossible. « J’ai déballé tous les tissus existants chez moi et chez mes parents, rassembler également les machines à coudre pour en confectionner des masques en tissus. C’est ainsi que l’on a pu distribuer 3000 masques pour les voisins de Verrerie ». De cette expérience, elle a incité les jeunes venus au Talkshow organisé à la Maison des jeunes, en marge de la semaine de célébration du 8 mars.

Dotée d’un beau charisme de venir en aide aux jeunes démunis de son quartier, Viviane a mené diverses actions citoyennes à savoir la construction d’un pont dans les artères de Verrerie afin de faciliter la communication entre les parcelles. Connue aussi pour sa faculté de communication, de l’engouement aux découvertes et échanges, la jeune entrepreneure a finalement concrétisé ses rêves en réalité avec la mise en place du centre Fleurs éveillés.

La mise en place du centre a débuté par l’exploitation du propre bureau de sa propre entreprise. « Commencez avec ce que vous avez en main avant de demander des financements aux partenaires. Démontrez ce que vous pouvez faire afin que les autres puissent appréhender ce que vous valez. Chacun a des qualités, de la spécialité, sa force, ses propres expériences mais avec un même objectif et une même vision, on arrive à faire à changer son entourage, une communauté ». Ainsi, Fleurs éveillées a bénéficié après l’appui du Ministère de la jeunesse et de sports et l’UNFPA pour la promotion de ses activités et surtout la prise en compte de la santé et bien-être des jeunes pensionnaires du centre.

Le talkshow a aussi vu la participation d’autres panélistes, à savoir un jeune entrepreneur de Diego promouvant le charbon écologique et économique, d’autres issus du secteur de la santé et promouvant à la fois le bien-être des jeunes. La séance a été clôturée par le partage sur la création des centres des jeunes en se basant sur les associations de jeunesse, selon les nouvelles orientations de la Direction générale de la jeunesse.  Il est fort de souligner que les thématiques débattues au cœur du talkshow sont axées sur le thème de la célébration du 8 mars à Diego : « Femme autonome et résiliente dans un environnement sain pour un développement durable ».

Autre Articles

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...

Fifaninanana Robotika

Fifaninanana Robotika

Nahafaly ahy ny nandray ireo tanora 7 hisolo tena an'i Madagasikara any Estonie amin'ny Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny Robotika. Isaorana ny Stem 4 Good izay nampiray ireto tanora avy amin'ny faritra isan-karazany eto Madagasikara. Hanampy azy ireo ny...

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

Tontosa anio 15 Oktobra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa eo amin'ny Malagasy RUGBY sy ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo...