Nandritra ny iraka izay nataon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tao Antsiranana dia tsy nanadino nitafatafa tamin’ny mpianatry ny Oniversite eto Antsiranana i Ramatoa Tale Jeneraly misahana ny Tanora Juliana Ratovoson. Izany fihaonana izany dia notanterahina ny Zoma 11 martsa 2021 lasa teo tao amin’ny Amphi Chocolat, Université Antsiranana.Fihaonana izay nokarakarain’ny ivon-toerana VAHATRA.
Nisy ny fifampizarana narahina tafatafa sy torohevitra ary paikady ho an’ny fampiroboroboana ny maha olona. Maro ireo tanora tonga nanatrika izany ary hita fa velom-panantenana sy vonona ny hanatratra ny tanjona izay napetrak’izy ireo tao aoriana izao fihaonana izao.
Ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena dia manakaiky sy manohana hatrany ireo Tanora.
ANTSIRANANA: RENCONTRE AVEC LES JEUNES UNIVERSITAIRES
Durant la mission effectuée par les représentants du Ministère de la Jeunesse et des Sports, le Directeur Général de la Jeunesse, Madame Juliana RATOVOSON n’a pas manqué de participer à une échange avec les Jeunes Universitaires d’Antsiranana. Cette rencontre s’est déroulée le vendredi 11 Mars 2021 à l’Amphi Chocolat, Université Antsiranana, organisée par le Centre VAHATRA.
L’échange d’expériences, quelques conseils, et discussions sur la stratégie du développement personnel étaient au rendez-vous. Les jeunes étaient nombreux à y avoir participer vue qu’ils en sont sorti confiants, satisfaits, motivés et déterminés à atteindre leurs objectifs qu’ils s’étaient fixés.
Le Ministère de la Jeunesse et des Sports offre son appui aux Jeunes.