MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

ANTSIRANANA: FIHAONANA TAMIN’IREO TANORA MPIANATRY NY ONIVERSITE

Nandritra ny iraka izay nataon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tao Antsiranana dia tsy nanadino nitafatafa tamin’ny mpianatry ny Oniversite eto Antsiranana i Ramatoa Tale Jeneraly misahana ny Tanora Juliana Ratovoson. Izany fihaonana izany dia notanterahina ny Zoma 11 martsa 2021 lasa teo tao amin’ny Amphi Chocolat, Université Antsiranana.Fihaonana izay nokarakarain’ny ivon-toerana VAHATRA.

Nisy ny fifampizarana narahina tafatafa sy torohevitra ary paikady ho an’ny fampiroboroboana ny maha olona.  Maro ireo tanora tonga nanatrika izany ary hita fa velom-panantenana sy vonona ny hanatratra ny tanjona izay napetrak’izy ireo tao aoriana izao fihaonana izao.

Ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena dia manakaiky sy manohana hatrany ireo Tanora.

ANTSIRANANA: RENCONTRE AVEC LES JEUNES UNIVERSITAIRES

Durant la mission effectuée par les représentants du Ministère de la Jeunesse et des Sports, le Directeur Général de la Jeunesse, Madame Juliana RATOVOSON   n’a pas manqué de participer à une échange avec les Jeunes Universitaires d’Antsiranana. Cette rencontre s’est déroulée le vendredi 11 Mars 2021 à l’Amphi Chocolat, Université Antsiranana, organisée par le Centre VAHATRA.

L’échange d’expériences, quelques conseils, et discussions sur la stratégie du développement personnel étaient au rendez-vous. Les jeunes étaient nombreux à y avoir participer vue qu’ils en sont sorti confiants, satisfaits, motivés et déterminés à atteindre leurs objectifs qu’ils s’étaient fixés.

Le Ministère de la Jeunesse et des Sports offre  son appui  aux Jeunes.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...