MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIVORIANA NIARAHAN’NY TALE JENERALY MISAHANA NY FANATANJAHANTENA SY IREO FITALEOVAM-PARITRA NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA.

Notanterahina anio 15 Martsa 2021 ny fivoriana virtoaly voalohany teo amin’ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena miaraka amin’ireo Fitaleovam-paritra ny Tanora sy ny Fanatanjahantena manerana ny faritra 22.

Tanjona tamin’ity fivoriana ity ny hametrahana fomba fiasa vaovao sy mahomby iarahan’ny roa tonta manatanteraka mandritra ny taona 2021 sy ireo sampan-draharaha miankina amin’ny fanatanjahantena ary ny fitadiavana vahaolana miaraka ary ny fanomezana toromarika isan-karazany.

Samy nitondra ny vaovao sy ny tatitry ny asa mifandray amin’izany fanatanjahantena izany ireo talem-paritra ka niompana tamin’ny firesahana momba ny fifidianana eo anivon’ny ratsamangaikan’ny federasiona izay hanomboka tsy ho ela, ny momba ny fandrosoan’ireo fanamboarana foto-drafitrasa eran’ny faritra izay napetraky ny fitondram-panjakana ho anisan’ny lohalaharana, ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fizarana trai-kefa ary ny fizarana ireo programan’asa mba hampitovy lenta ny fitantanana sy ny fampandrosoana.

Nizotra tsara ny fivoriana ary nalalaka ny ady hevitra nentina hampandrosoana ny fanatanjahantena manerana ny faritra ary nahafa-po ireo talem-paritra ny fifanakalozan-kevitra rehetra natao.

Hotanterihina isam-bolana ny fivoriana virtoaly toy izao mba ahafahana manao ny tatitry ny asa avy any amin’ny faritra, hampitana ireo tetikasa vaovao momba ny fanatanjahantena ary koa ny amahana ireo olana misy entina hanatsarana hatrany ny fomba fiasa.

RÉUNION VIRTUELLE ENTRE LE DIRECTEUR GÉNÉRAL DES SPORTS ET LES DIRECTEURS RÉGIONAUX DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS.

La première réunion par visio conférence entre le Directeur Général des Sports Madame Rosa RAKOTOZAFY et les Directeurs régionaux issus des 22 régions s’est tenue le 15 mars 2021.

Cette réunion a pour objectif d’instaurer une nouvelle méthode de travail efficace entre les deux parties et avec les différents organismes sportifs. Ces méthodes apporteront de meilleurs résultats et une collaboration plus fructueuse.

Tous les Directeurs ont exposé à tour de rôle le compte rendu sur les activités relatives aux sports dans leurs régions, notamment sur la tenue de prochaines éléctions au niveau des démembrements des fédérations sportives, sur l’avancement des travaux de construction des nouvelles infrastructures sportives qui font partie des priorités de l’Etat, le renforcement des capacités de gestion afin que tout le monde soit sur le même niveau d’information et de connaissance.

Cette visioconférence sera maintenu tous les mois dans l’optique d’améliorer les méthodes de travail et afin de subvenir a la résolution des différentes problèmes au niveau des régions.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...