MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

« APPLICATION MOBILE TAFA »:ATRIKASA NOKARAKARAIN’NY ACCESS.

Notanterahina androany 14 Aprily 2021 ny atrikasa ampitain-davitra ho fizarana sy fampahalalana momba ny « Application mobile TAFA »(TAnora Filamatra Aho) , izay novolavolain’ny ACCESS Health Program, izay miara miasa amin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena,ny Minisiteran’ny rano,ny Fahadiovana sy ny Fidiovana, ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny Vehivavy.

Tetikasa izay mampivondrona ihany koa ireo mpisehatra tsy miankina momba ny finday, ny OSC ary ny fikambananan’ny tanora.

Ny « application mobile TAFA » dia mikendry sy manamafy ny fahalalan’ireo tanora momban’ny fahasalamana ara-pananahana, ahafahan’izy ireo miatrika sy manomana ny hoaviny manoloana ny loza ateraky ny fitondrana vohoka aloha loatra sy tsy niriana.

Ao anatin’ny fandaharanasan’ny ACCESS izay misehatra amin’ny fahasalamana dia manana vina ny hampiakatra ny taham-pahalalan’ireo tanora mipetraka an-drenivohitra mahakasika ny fandrindram-piterahana sy ny fomba fanabeazanaizana ary mba hamporisika azy ireo hampiasa izany.

Tanjona ny mba hialana amin’ny fitondrana vohoka aloha loatra sy tsy niriana ka amin’ny alalan’ny fanentanana amin’ny tambazotra sosialy no hanatanterahana azy.

Izany indrindra no namolavolana ny « Application mobile TAFA » ka ahafahan’ ireo tanora maka torohevitra sy fampafantarana mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana izay azo sitrahina maimaimpoana .

Aorian’ity atrikasa ity, ireo tolo-kevitra rehetra voahangona dia horaisina entina hanatsarana ny « Application Mobile TAFA » mialohan’ny fampahafantarana azy amin’ny fomba ofisialy.

Nisolo tena ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tamin’izany Ramatoa Noro Haingo RAKOTOSEHENO, talen’ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fiarovana ny tanora sy Andriamatoa Tiavina Arnaud ANDRIANIAINA, tale misahana ny serasera izay namarana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa.

APPLICATION MOBILE « TAFA »: ATELIER DE PRÉ-LANCEMENT ORGANISE PAR ACCESS.

Un atelier virtuel de partage et d’information sur l’application mobile TAFA ( TAnora Filamatra Aho) a eu lieu aujourd’hui le 14 avril 2021, initié par ACCESS Health Program en partenariat avec le Ministères de la Santé Publique; le Ministère de la Jeunesse et des sports; le Ministère de l’Eau,de l’assainissement et de l’hygiène; le Ministère de l’éducation Nationale et le Ministère de la Population, de la Protection sociale et de la Promotion de la Femme.

Ce projet regroupe également le secteur privé en téléphonie mobile, les OSC et notamment les associations des jeunes.

TAFA promet de renforcer l’accès aux informations pour les jeunes en matière de santé sexuelle et reproductive afin qu’ils puissent mieux gérer leur avenir face aux dangers de la grossesse précoce et non désirée.

Le programme de santé ACCESS dans son ensemble prévoit d’améliorer les connaissances et surtout le niveau d’utilisation des méthodes contraceptives par les jeunes sexuellement actifs dans les milieux urbains afin d’éviter la grossesse précoce et non désirée par le biais d’une campagne de communication via les réseaux sociaux.

De ce fait, l’application mobile TAFA a été conçue pour permettre aux utilisateurs surtout les jeunes de consulter les thématiques développées sur la santé de la reproduction et le développement personnel, avec ou sans connexion internet.

A l’issu de cet atelier, les informations recueillies seront prises en compte pour améliorer l’application mobile avant son lancement officiel au grand public.

Le Ministère de la Jeunesse et des Sports est représenté par Madame Noro Haingo RAKOTOSEHENO, le Directeur de la Santé de Reproduction et de la Protection des Jeunesse et Monsieur Tiavina Arnaud ANDRIANIAINA, le Directeur de la Communication, qui a eu l’honneur de clôturer cet atelier virtuel.

Autre Articles

FARITRA DIANA: FIOFANAN’NY JUNIOR REPORTERS CLUBS

FARITRA DIANA: FIOFANAN’NY JUNIOR REPORTERS CLUBS

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fampiofanana ireo Junior Reporters Clubs miisa 30 mianadahy. Ampiofanina azy ireo mandritra izany ny lohahevitra mifandraika amin'ny fiainan'ny zatovo sy ny tanora, ny fihetsika fototra fanaon'ny ankohonana, ny U-Report Madagasikara...