MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FANATANJAHANTENA : FIVORIANA VIRTOALY MOMBA NY FANAMBY AMIN’NY TSY FANILIHANA NY ANKIZY MANANA FAHASEMBANANA ETO AFRIKA

Amin’ny maha filohan’ny komity iraisam-pirenena eo anivon’ny UNESCO momba ny fanabeazana ara-batana sy fanatanjahantena (CIGEPS) azy, Ramatoa RAKOTOZAFY Rosa, Tale jeneralin’ny Fanatanjahantena eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena dia nandray anjara tamin’ny fihaonana virtoaly momba ny fanamby eo amin’ny tsy fanilihana ny ankizy miaina anaty fahasembanana izay natao niaraka tamin’ny Unesco ny Alakamisy faha- 22 aprily.

Tamin’ny fandraisam-pitenenana izay nataony no niresahany momba ny asan’ny CIGEPS sy ny maha zava-dehibe ny programa toa izao amin’ny fampiharana ny tanjona manerantany ary koa ny tolo-kevitr’Antananarivo nivoitra nandritra ny fivorian-dehibe nandraisan’ireo Ministra afrikanina misahana ny fanabeazana sy ny Fanatanjahantena anjara izay manasongadina ny tsy fanilihana, ny fitovian’ny miralenta, ny fandraisana anjaran’ny tanora, ny fanomezan-danja ny fanatanjahantena sy ny lalao nentim-paharazana, ary koa ny fiaraha-miombon’antoka iraisana izay singa ilaina amin’ny politika manerantany ho an’ny fampandrosoana ny maha-olona, ​​ara-tsosialy ary ara-toekarena aty Afrika, ary koa ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fampidirana azy ireo izay hisy fiatraikany amin’ny fanitsiana ny politikan’ny fanatanjahantena eo anivon’ny Vondrona Afrikanina sy ny politikan’ny fanatanjahantena ho an’ny firenena afrikanina.

Ankoatr’izay, ireo Minisitra afrikanina dia manaiky ny anjara asa lehibe ataon’ny sekoly amin’ny famolavolana olom-pirenena salama, mavitrika ary mahay amin’ny alàlan’ny fanabeazana ara-batana, ny fampihetseham-batana ary ny fanatanjahantena ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tompon’andraikitra momba ny Fanatanjahantena, ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny fandrindrana ny tanana.

Avy eo ny filohan’ny CIGEPS dia nanipika fa ny valan’aretina Covid-19 dia niteraka ny fiharatsian’ny tsy fitoviana misy eo amin’ny sehatra rehetra, manomboka amin’ny tsirairay ka hatramin’ny manerantany ary amin’ny faritra samihafa. Nasehon’ny fanadihadiana fa ny vehivavy sy ny zazavavy sembana no vondrona voahilikilika indrindra ary ny valanaretina dia nanitatra io banga io.

Noho izany dia misy ifandraisany bebe kokoa ankehitriny noho ny hatramin’izay ny fanohizana ny fanaovana laharam-pahamehana ny lalanan’ny tsy fanilihana , ny fitoviana ary ny zon’olombelona, ​​ »hoy izy.

Ny Fanatanjahantena dia fitaovana matanjaka afaka entina hampiroboroboana ny tsy fanilihana araka ny hitantsika amin’ny Lalao Paralimpika Iraisam-pirenena mandritra ny vanintaona mafana sy ny ririnina, izay mampisongadina ambony kokoa ireo sembana. Ny fitomboan’ny fandraisana anjaran’ny firenena afrikanina amin’ny Lalao Paralimpika dia mahavelombolo ary tokony hanome aingam-panahy ny kaontinanta eran-tany amin’ny ankapobeny sy ireo firenena afrikana manokana mba hanohy ny tolona ho fitsinjovana ny ankizy sy olona manana fahasembanana.  »

SPORT : VISIOCONFERENCE SUR LES DEFIS DE L’INCLUSION DES ENFANTS HANDICAPÉS EN AFRIQUE

En sa qualité de Présidente du Comité Inter-Gouvernemental de sur l’Éducation Physique et le Sport auprès de l’UNESCO, Madame RAKOTOZAFY Rosa, Directeur Général des Sports au sein du Ministère de la Jeunesse et des Sports a participé à une visioconférence sur l’inclusion des enfants handicapés le 22 Avril 2021en collaboration avec l’UNESCO.

Lors de son allocution, elle a parlé du travail du CIGEPS et de la manière dont des programmes comme celui-ci sont essentiels à la mise en œuvre des objectifs mondiaux mais aussi des recommandations d’Antananarivo qui mettent en évidence l’inclusivité, l’égalité des sexes, la participation des jeunes, la valorisation des sports et des jeux traditionnels, ainsi que les partenariats multipartites en tant qu’éléments essentiels de politiques globales pour le développement humain, social et économique en Afrique mais également de la priorisation de leur inclusion dans celles-ci, qui à leur tour auront un impact sur la révision de la politique sportive de l’Union Africaine et les politiques sportives des pays africains.

D’ailleurs, les Ministres Africains reconnaissent le rôle crucial des écoles pour créer des citoyens sains, actifs et compétents par l’éducation physique, l’activité physique et le sport et la nécessité de renforcer la coopération entre les autorités publiques en charge du sport, de l’éducation, de la santé et de l’urbanisme.

La Présidente du CIGEPS a ensuite souligné que la pandémie Covid-19 aggrave les inégalités préexistantes à tous les niveaux, de l’individu au global, et dans différents domaines. Les études ont montré que les femmes et les filles handicapées sont le groupe le plus marginalisé et que la pandémie a accru cet écart. Il est donc aujourd’hui plus pertinent que jamais de continuer à prioriser la voie de l’inclusion, de l’égalité et des droits de l’homme. », dixit-elle.

Le sport étant un outil puissant pour promouvoir l’inclusion comme nous pouvons le voir depuis les Jeux paralympiques internationaux d’été et d’hiver, qui offrent une visibilité de haut niveau aux personnes handicapées. La participation croissante des pays africains aux Jeux paralympiques est encourageante et devrait inspirer le continent mondial en général, et l’Ouganda et les autres pays africains en particulier à poursuivre la lutte pour l’inclusion des enfants et des personnes handicapées. »

Autre Articles

KIANJA BAREA MAHAMASINA

KIANJA BAREA MAHAMASINA

Antsika Malagasy rehetra manerana an'i Madagasikara ny Kianja BAREA. Tokony ho saro-piaro isika amin’ny fitandroana ity fotodrafitrasa lehibe ity, satria sady fananana iombonana ny Kianja BAREA no sady fananam-pirenena. Io no kianja hiarovana ny voninahi-pirenena,...

FAHATONGAVAN’I SAMUEL ETO’O ETO MADAGASIKARA

FAHATONGAVAN’I SAMUEL ETO’O ETO MADAGASIKARA

Anio 01 septambra 2021 no  nigadona eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ilay kitan'ny Baolina kitra kameroniana fanta-daza maneran-tany tao amin'ny klioba FC Barcelone sy Lions Indomptables  Samuel Eto'o izay ny Filoham-pirenena no nanasa manokana azy ho...

FITOKANANA NY I-TAFA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY.

FITOKANANA NY I-TAFA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY.

Anio 31 Aogositra 2021 no notokanana tamin'ny fomba ofisialy ny ivon-toerana I-TAFA etsy Ambohijatovo ambony. Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora eo anivon'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ramatoa Juliana RATOVOSON....

KIANJA BAREA : NAHAZO FAHAFAHANA MAMPIDITRA MPIJERY

KIANJA BAREA : NAHAZO FAHAFAHANA MAMPIDITRA MPIJERY

Taorian'ny fitsidihana sy fijerena nataon'ny teknisianina avy ao amin'ny Kaofederasiona Afrikanina ny baolina kitra (CAF) dia nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena MAMOD’ALI Hawel. Nambarany tamin'izany fa nahazo...