« Ny fahalanian’Atoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO ho filohan’ny federasiona afrikanina ny Judo dia tena zava-dehibe ho an’ny taranja Judo manokana ary voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara. Ny tontolon’ny Fanatanjahantena amin’ny ankapobeny no miditra dingana vaovao ary miakatra antanan-tohatra ambony kokoa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tafiditra indrindra ao anatin’ny Veliranon’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izay manandratra ny hambompom-pirenena amin’ny alalan’ny fanatanjahantena izao fandresena goavana izao » hoy ny Minisitry Tanora sy Fanatanjahantena Atoa TINOKA Roberto.
Ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena dia manolotra ny fiarabana sy fisaorana tamin’ny fahatanterahan’ity dingana iray ity. Izay hametraka fanamby vaovao ary hampiakatra ny fahazotoan’ny tanora mpanao fanatanjahantena malagasy.
Mirary azy tanteraka hahavita ny adidy sy andraikitra miandry ny Filoha vaovaon’ny Federasiona Afrikanina ny Judo sady Filoha lefitry ny Federasiona Iraisam-pirenena ny taranja Judo.
ALEFA MADAGASIKARA!
» L’élection de Monsieur Siteny Randrianasoloniaiko à la Présidence de l’ Union Africaine Judo est une fierté pour le Judo Malagasy, et un Honneur pour Madagascar !
Le Sport en général franchit une nouvelle étape et gravit les échelons sur la scène internationale.
Ce qui entre de plain-pied dans le VELIRANO du Président de la République ANDRY RAJOELINA faisant du Sport une Fierté nationale » dixit Monsieur Le Ministre de la Jeunesse et des Sports TINOKA Roberto.
Le Ministère de la Jeunesse et des Sports présente ses franches et sincères félicitations et ses chaleureux remerciements pour cette consécration ! Laquelle impulsera une dynamique nouvelle, boostant la motivation des jeunes sportifs !
Nous souhaitons bon vent et un parcours semé de succès au nouveau Président de l’ Union Africaine de Judo et par-delà Vice-Président de la Fédération Internationale de Judo !
Qui dit mieux ?
ALEFA MADAGASCAR !