MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

« Ny fahalanian’Atoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO ho filohan’ny federasiona afrikanina ny Judo dia tena zava-dehibe ho an’ny taranja Judo manokana ary voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara. Ny tontolon’ny Fanatanjahantena amin’ny ankapobeny no miditra dingana vaovao ary miakatra antanan-tohatra ambony kokoa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tafiditra indrindra ao anatin’ny Veliranon’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izay manandratra ny hambompom-pirenena amin’ny alalan’ny fanatanjahantena izao fandresena goavana izao » hoy ny Minisitry Tanora sy Fanatanjahantena Atoa TINOKA Roberto.

Ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena dia manolotra ny fiarabana sy fisaorana tamin’ny fahatanterahan’ity dingana iray ity. Izay hametraka fanamby vaovao ary hampiakatra ny fahazotoan’ny tanora mpanao fanatanjahantena malagasy.

Mirary azy tanteraka hahavita ny adidy sy andraikitra miandry ny Filoha vaovaon’ny Federasiona Afrikanina ny Judo sady Filoha lefitry ny Federasiona Iraisam-pirenena ny taranja Judo.

ALEFA MADAGASIKARA!

 » L’élection de Monsieur Siteny Randrianasoloniaiko à la Présidence de l’ Union Africaine Judo est une fierté pour le Judo Malagasy, et un Honneur pour Madagascar !

Le Sport en général franchit une nouvelle étape et gravit les échelons sur la scène internationale.

Ce qui entre de plain-pied dans le VELIRANO du Président de la République ANDRY RAJOELINA faisant du Sport une Fierté nationale  » dixit Monsieur Le Ministre de la Jeunesse et des Sports TINOKA Roberto.

Le Ministère de la Jeunesse et des Sports présente ses franches et sincères félicitations et ses chaleureux remerciements pour cette consécration ! Laquelle impulsera une dynamique nouvelle, boostant la motivation des jeunes sportifs !

Nous souhaitons bon vent et un parcours semé de succès au nouveau Président de l’ Union Africaine de Judo et par-delà Vice-Président de la Fédération Internationale de Judo !

Qui dit mieux ?

ALEFA MADAGASCAR !

Autre Articles

KIANJA BAREA MAHAMASINA

KIANJA BAREA MAHAMASINA

Antsika Malagasy rehetra manerana an'i Madagasikara ny Kianja BAREA. Tokony ho saro-piaro isika amin’ny fitandroana ity fotodrafitrasa lehibe ity, satria sady fananana iombonana ny Kianja BAREA no sady fananam-pirenena. Io no kianja hiarovana ny voninahi-pirenena,...

FAHATONGAVAN’I SAMUEL ETO’O ETO MADAGASIKARA

FAHATONGAVAN’I SAMUEL ETO’O ETO MADAGASIKARA

Anio 01 septambra 2021 no  nigadona eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ilay kitan'ny Baolina kitra kameroniana fanta-daza maneran-tany tao amin'ny klioba FC Barcelone sy Lions Indomptables  Samuel Eto'o izay ny Filoham-pirenena no nanasa manokana azy ho...

FITOKANANA NY I-TAFA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY.

FITOKANANA NY I-TAFA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY.

Anio 31 Aogositra 2021 no notokanana tamin'ny fomba ofisialy ny ivon-toerana I-TAFA etsy Ambohijatovo ambony. Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora eo anivon'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ramatoa Juliana RATOVOSON....

KIANJA BAREA : NAHAZO FAHAFAHANA MAMPIDITRA MPIJERY

KIANJA BAREA : NAHAZO FAHAFAHANA MAMPIDITRA MPIJERY

Taorian'ny fitsidihana sy fijerena nataon'ny teknisianina avy ao amin'ny Kaofederasiona Afrikanina ny baolina kitra (CAF) dia nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena MAMOD’ALI Hawel. Nambarany tamin'izany fa nahazo...