Nanomboka ny alatsinainy teo ary hifarana ny 28 mey 2021 any Malawi ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny lalaon-tsaina echec. Misolontena antsika malagasy amin’ity fifaninanana ity i Fy Antenaina RAKOTOMAHARO, tompondakan’i Madagasikara izay voasokajy ho laharana faha dimy amin’ny Elo tsara indrindra tamin’ireo rehetra izay nisoratra anarana ka manana isa 2429.
Ho mafimafy ny lalao hatrehany, indrindra manoloana ireo mpifaninana anisany tena sangany izay ahitana Ejiptianina 3 sy alzerianina 1 izay voasokajy ho isan’ireo Elo 5 tsara indrindra aty afrika.
Ireo mpifaninana 4 voalohany amin’ity fifaninana ity moa dia ho tafita hisolontena an’i Afrika mandritra ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany amin’ny FIDE.
Alefa Fy
Alefa Madagasikara
CHAMPIONNAT D’AFRIQUE DU JEU D’ECHEC 2021
Le championnat d’Afrique du jeu d’Echecs 2021 se déroule à Malawi du 17-28 Mai 2021. Madagascar participe à ce Championnat par le biais de son champion Fy Antenaina Rakotomaharo , classé 5ème meilleur Elo parmi les inscrits avec 2429 points .
Les 4 premiers du Championnat d’Afrique se qualifieront pour le Championnat du monde FIDE et représenteront l’Afrique.
La concurrence est rude surtout avec 3 égyptiens et 1 algérien parmi les 5 meilleurs élo.
Alefa Fy
Alefa Madagascar