MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

MANDRESY NY COVID-19 SY HANATSARANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA AMIN’NY ALALAN’NY FANABEAZANA ARA-BATANA TSARA KALITAO (EDUCATION PHYSIQUE DE QUALITE)

Taorian’ny Fihaonambe voalohany ny Minisitra Afrikanina ho fanatanterahana ny « Plan d’Action de Kazan » (PAK) manerana ny Afrika ny taona 2019 dia voatendry ho Tompondaka eto Afrika amin’ny Fanatanjahantena sy ny Fanabeazana ara-batana Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara .

Ny fisalorany izany anaram-boninahitra izany no manome azy ny adidy masina hitarika an’i Madagasikara, izay tsy maintsy mijoro ho “Firenena Filamatra” sy i Afrika iray manantolo ho amin’ny fanatratrarana ilay vina iombonana maneran-tany izay voarakitra ao anatin’ny Plan d’Action de Kazan, mikendry indrindra ny famolavolana « olom-pirenena salama, mavitrika ary mahomby » (Citoyens en bonne santé, actifs et compétents).

Araka ny voka-pikarohana navoakan’ny Foibe amerikana US CENTERS FOR DISEASE CONTROL AND PREVENTION (CDC), notanterahina tamin’ny olona voan’ny COVID-19 miisa 48.440 dia voamarina fa ny olona tsy mihetsika, kamo mampiasa vatana dia avo roa heny ny risika hahatonga azy ireo ho lasa “forme grave” sy maty raha vao tratry ny COVID-19, raha ampitahaina amin’ireo olona mihetsika sy mampiasa vatana mandritra ny 150 minitra isan-kerinandro. Ny UNESCO sy ny OMS dia samy nanambara mazava fa ny 6% ny taha-pahafatesana maneran-tany dia vokatry ny tsy fihetsehan’ny olona, izay miteraka fahatapahan’ny lalandrà, ny diabeta, ny homamiadana sns…

Noho izany indrindra dia nandray andraikitra ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihin’Andriamatoa TINOKA ROBERTO, hametraka lamina maty paika iaraha-mientana amin’ny Faritra sy ireo tanora manerana ny Nosy fa hampiasa ny Fanabeazana ara-batana tsara kalitao (Education Physique de Qualité) ho fitaovana mahomby hitaizana ny olom-pirenena hampiasa vatana sy hihetsika minitra vitsy isan’andro mba hanamafisana ny hery fiarovana manoloana ny COVID-19 ary ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka araka ilay ohabolana malagasy manao hoe : « Aleo misoroka toy izay mitsabo ».

Ny fanamby voalohany ho tratrarina mialoha ny faran’ny volana mey 2021 izao dia ny fametrahana eny anivon’ny Faritra Fito (Anosy, Androy, Atsimo-Andrefana, Ihorombe, Itasy, Bongolava, Sava) ny paikady sy ny rafitra ho fampiroboroboana ny dian-tongotra (la marche) sy ny rindra-pihetsika ho an’ny fahasalamana (Gymnastique pour la Santé). Haverina ny hasin’ny mpampianatra EPS satria izy ireo no hitarika ny ekipa teknika sy ny rafitra apetraka eny anivon’ny Faritra tsirairay ary koa hamolavola ny taridàlana pratika, tsotra azo ampiharina avy hatrany. Hiara-mientana izy ireo amin’ny famolavolana “olom-pirenena salama, mavitrika ary mahomby” araka ny fenitra napetrakin’ny UNESCO.

Ankoatran’ny fampiroboroboana ny dian-tongotra (la marche) sy ny rindran-ketsika ho amin’ny fahasalamana (Gymnastique pour la Santé) dia handray anjara ireo ekipa teknika sy ny rafitra hajoro eny anivon’ny Faritra amin’ny fanentanana mikasika ny fiarovan-tena amin’ny COVID-19, ny fanentanana aminy fampiasana CVO sy CVO plus, ny fanentanana fototra ara-pahasalamana toy ny fandanjalanjana ny tory maso, ny fanjarian-tsakafo, ny fahadiovana, sns.

 « Mihetseha mba ho salama, mihetseha mba ho ela velona ».

VAINCRE LA COVID-19 ET AMÉLIORER LA SANTÉ PUBLIQUE GRÂCE À UNE ÉDUCATION PHYSIQUE DE QUALITÉ

Suite à la première réunion des Ministres africains pour la mise en œuvre du Plan d’Action de Kazan (PAK) pour l’Afrique en 2019, le Président de la République de Madagascar Andry RAJOELINA a été nommé Champion en Education Physique et Sports en Afrique.

Ce titre lui confère le devoir sacré de diriger Madagascar en étant une «nation modèle» et l’Afrique entière pour réaliser la vision globale commune inscrite dans le Plan d’Action de Kazan, visant principalement à développer «des citoyens en bonne santé, actifs et compétents».

Selon une étude publiée par les Centers for DISEASE CONTROL AND PREVENTION (CDC) des États-Unis, menée auprès de 48 440 personnes atteintes de COVID-19, il a été constaté que les personnes inactives et oisives étaient deux fois plus susceptibles au risque de «forme grave» et mourir une fois atteintes par le COVID-19, par rapport aux personnes qui bougent et qui font de l’exercice pendant 150 minutes par semaine. L’UNESCO et l’OMS ont toutes les deux clairement déclaré que 6% des taux de mortalité mondiaux sont dus à l’inactivité humaine, qui conduit à un accident vasculaire cérébral, au diabète, au cancer, etc.…

Pour ces diverses raisons, le Ministère de la Jeunesse et des Sports, dirigé par Monsieur le Ministre TINOKA Roberto, a mis en place des mesures pour établir un plan stratégique avec les Régions et les jeunes de toute l’île pour utiliser l’Education Physique de Qualité comme un outil efficace pour éduquer les citoyens à faire de l’exercice et bouger quelques minutes par jour pour renforcer le système immunitaire contre la COVID-19 et améliorer la santé publique selon l’expression «Mieux vaut prévenir que guérir».

Le premier défi à relever avant fin mai 2021 est d’élaborer un manuel pédagogique et technique simplifié dans les Sept (7) Régions (Anosy, Androy, Atsimo-Andrefana, Ihorombe, Itasy, Bongolava, Sava) afin de promouvoir la marche et de la Gymnastique pour la Santé. La valeur des professeurs d’EPS sera restaurée car ils dirigeront l’équipe technique et les systèmes en place dans chaque région et développeront un manuel simple et pratique. Ils travailleront ensemble pour qu’on ait «des citoyens sains, actifs et compétents» selon les normes de l’UNESCO.

Outre la promotion du programmes de la marche et de la Gymnastique, les équipes ainsi que les responsables techniques dans toutes les Régions effectueront une sensibilisation au rythme circadien sain, l’utilisation de CVO et CVO plus, la promotion de la santé de base telle que la surveillance du sommeil, la nutrition, l’hygiène, etc.

« Bouger pour être en bonne santé

Bouger pour vivre plus longtemps ».

Autre Articles

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...

Fifaninanana Robotika

Fifaninanana Robotika

Nahafaly ahy ny nandray ireo tanora 7 hisolo tena an'i Madagasikara any Estonie amin'ny Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny Robotika. Isaorana ny Stem 4 Good izay nampiray ireto tanora avy amin'ny faritra isan-karazany eto Madagasikara. Hanampy azy ireo ny...

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

Tontosa anio 15 Oktobra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa eo amin'ny Malagasy RUGBY sy ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo...