MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FARITRA IHOROMBE: KIANJA MANARAPENITRA SY KIANJA MITAFO VAOVAO MAHAZAKA OLONA 1000.

Ao anatin’ny fitsidiham-paritra izay ataon’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ankehitriny dia tonga nitsidika ny fizotrin’ny fananganana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena tao Ihosy, faritra Ihorombe ny tenany. Tsy diso anjara amin’izany fotodrafitrasa manarapenitra izany ny faritra Ihorombe ary ny Filoham-pirenena rahateo dia efa nanome toky ny hanandratra avo ny fanatanjahantena mba hampisondrotra hatrany ny hambopom-pirenena.

Nitsidika ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra synthetique izay mahazaka mpijery 1000 ny Filoham-pirenena sy solontena avy amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena . Ity kianja ity dia ahitana ireto manaraka ireto: vestiaire ho an’ny mpilalao efatra, vestiaire ho an’ny mpitsara roa, efitra fidiovana roa, efitra fivoahana ho an’ny lehilahy roa ary efitra fivoahana ho an’ny vehivavy roa.

Efa vita zato isan-jato ny fanamboarana ny kianja : « tribune sy gradin » ary ny kianja « synthétique ». Amin’izao fotoana izao dia ny fampitoviana lanja amin’ny alalan’ny fandrarahana granulat SBR no sisa atao mba hahamarin-drano tsara ny firafitry ny kianja.

Eo anilan’izany ihany no anorenana ny kianja mitafo manarapenitra na Gymnase mahazaka mpijery 1000 isa ihany. Azo andraisana lalao ara-panatanjahantena toy ny Basket-ball, Hand-ball, Volley-ball, Badminton, Tennis, Tennis de table ary koa fifaninanana hay ady sy fibatana fonjam-by ity kianja mitafo ity ary ahitana ireo efitrano rehetra ilaina toy ny vestiaire ho an’ny mpilalao(04 isa), ny vestiaire hoan’ny mpitsara (02 isa) ny infirmerie (01 isa), ny birao (02 isa), ny efitra fivoriana (02 isa), ny efitra ho an’ny mpanao gazety sy ny toeram-pivoahana. Mandroso tanteraka ny asa ankehitriny ary ny 40 isan-jaton’ny « tranche ferme » no efa vita.

REGION IHOROMBE : TERRAIN MANARAPENITRA ET NOUVEAU GYMNASE COUVERT À IHOSY.

Lors de la visite présidentielle de la région Ihorombe, SEM Andry Rajoelina, Président de la République de Madagascar, a effectué un état des travaux de construction du stade synthétique et du nouveau gymnase à Ihosy. La région Ihorombe aura les infrastructures « manarapenitra » promises par le président afin de hausser la fierté de Madagascar.

Le Président de la République accompagné des représentants du Ministère de la Jeunesse et des Sports ont visité les lieux pour constater l’avancement du stade synthétique « manara-penitra » pouvant accueillir jusqu’à 1000 spectateurs.

Le terrain comporte : (04) vestiaires pour les joueurs, (02) vestiaires pour les arbitres, (02) douches , (02) toilettes pour homme et (02) toilettes pour femme.

La construction du stade est désormais entièrement achevée à 100% « gradin et tribune » ainsi que le terrain synthétique. Il reste à écouler les granulés SBR pour l’architecture du terrain.

En outre, un gymnase couvert de norme pouvant accueillir 1000 spectateurs est en cours de construction à côté. Entre autres, ce dernier pourra accueillir des rencontres sportives telles que le basket-ball, hand-ball, volley-ball, badminton, tennis et tennis de table ainsi que les arts martiaux et l’haltérophilie. Il sera également équipé de quatre (04) vestiaires pour les joueurs, deux (02) vestiaires pour les arbitres, une (01) infirmerie, deux (02) bureaux, deux (02) salles de réunion, une salle de presse et toilettes. Les travaux avancent aisément et 40% de la tranche ferme sont déjà terminées.

Autre Articles

TOAMASINA: FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO AN-TOERANA

TOAMASINA: FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO AN-TOERANA

Nisy ny fampiofanana ireo tanora izay natao tao amin'ny Centre Regionale de la Jeunesse et des Sports (CRJS) Toamasina izay nifarana anio 27 Aogositra 2021. Nandritra ny fidinana ifotony izay notanterahin-dRamatoa Juliana RATOVOSON Minisitra lefitra,Anio zoma 27...

FIFANINANANA TSIPY KANETIBE « GRAND OPEN ANALAMANGA »

FIFANINANANA TSIPY KANETIBE « GRAND OPEN ANALAMANGA »

Taorian'ny fitokanana ny kianja manarapenitra filalaovana tsipy kanetibe " FITARATRA 2023", tao Tongarivo, kaomina Tanjombato, ny zoma lasa teo dia nisy avy hatrany ny fifaninanana "Festival de Pétanque Grand Open Analamanga". Niisa 252 ireo ekipa olona telo miaraka...