Araka ny fanambarana natao teto amin’ny Pejy ny 21 may 2021, ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia mandray anjara amin’ny ady atao amin’ny valan’aretina COVID 19 amin’ny alalan’ny fanabeazana ara-batana tsara kalitao (Education Physique de Qualité na EPQ).
Arak’izany dia efa tafapetraka tsara manerana ireo Faritra fito(7) voatanisa manaraka ireto (Atsimo-Andrefana, Androy, Anosy, Ihorombe, Itasy, Bongolava, Sava ) ny Ekipa Teknika 14 hanatanteraka ny drafitrasa fanabeazana ara-batana tsara kalitao(EPQ): izay mizara ho roa ka 7 amin’ireo dia ekipa teknika hisahana » ny dia an-tongotra »(la marche), ny 7 kosa hiandraikitra ny » rindram-pihetsika ho an’ny fahasalamana (Gymnastique pour la Santé) ».
Amin’izao fotoana iresahana izao dia efa samy amperinasa tanteraka ireo Ekipa Teknika 14 miparitaka any amin’ny Faritra 07 manao ny famolavolana tari-dalana pratika , tsotra, mora raisina,azo ampiharina avy hatrany ahafahana manentana sy manofana ary mandrindra ny hetsika ho fampiroboroboana ny Dia an-tongotra (La marche) sy ny Rindram-pihetsika ho an’ny fahasalamana (Gymnastique pour la Santé).
Mandritra ny fotoana famolavolana ity taridalana ity dia hahazo vahana be dia be ny pratika sy ny fampiharana andrana. Ny tari-dalana voavolavola isam-paritra dia hanaovana andrana manokana amin’ny karazan’olona hiantefan’ny fanentanana.
Goavana ny fanamby hotratrarina ary mbola lavitra ny lalan-kombana. Mahavelombolo kosa ny fiaraha-mientana sy ny fahavononan’ny maro hamelo-maso sy hamerina ny hasin’ny EPS ho lasa fitaovana mahomby ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka sy ny fiantohana ny fihatsaram-piainan’ny isambatan’olona.
« Mihetseha mba ho salama,
Mihetseha mba ho ela velona. »
MISE EN PLACE D’UNE ÉDUCATION PHYSIQUE DE QUALITÉ DANS LA REGION
Le Ministère de la Jeunesse et des Sports, selon son communiqué du 21 mai 2021 contribuait à la lutte contre la pandémie COVID-19 à travers l’Éducation Physique de Qualité ou EPQ.
De plus, des équipes techniques au nombre de 14 ont été répartis dans les sept (7) régions suivantes (Atsimo-Andrefana, Androy, Anosy, Ihorombe, Itasy, Bongolava, Sava) pour assurer œuvre le plan d’éducation physique de qualité (EPQ). Qui se répartit en deux équipes, 7 d’entre eux seront une équipe technique qui assurera le programme de la marche, tandis que les 7 autres seront en charge du programme de la remise en forme (Gymnastique pour la Santé).
À l’heure actuelle, les 14 équipes techniques dans les 07 régions citées sont pleinement opérationnelles pour développer un manuel pédagogique pratique, simple, facile pour inciter, former et coordonner les activités pour la promotion de la marche et la gymnastique pour la santé.
Lors de son élaboration, ce guide donne un élan surtout dans la pratique et les expériences. Les lignes directrices élaborées au niveau régional seront ensuite testées sur une population de cible.
Le chemin est encore long et les défis sont énormes. Ce qui est revigorant, l’engagement et la volonté de chacun revitalise et restaure la valeur de l’EPS à adopter comme un outil efficace pour améliorer la santé et le bien-être de la population .
» Bougez pour être en bonne santé,
Bougez pour une longue vie. «