Niainga anio maraina nihazo an’i Nairobi, renivohitr’i Kenya ny mpibata fonjamby Malagasy (Haltérophilie) hiatrika ny fiadiana izay ho tompondakan’ny Afrika ny 27 hatramin’ny 30 May izao.
Izany no tanteraka dia noho ny fandraisana an-tanana sy ny fitadiavana vaha olana niaraka izay nataon’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, ary ny Filohan’ny federasiona Malagasy ny taranja fibatana fonjamby, Andriamatoa Harinelina RANDRIAMANARIVO.
Olana teo amin’ny resaka tsy fisian’ny sidina nohon’ ny valan’arerina Covid-19 no saika anton’ny tsy fandehanan’ny delegasiona na dia efa nanome ny fanampiana ara-bola rehetra ilaina entina miatrika izany lalao izany aza ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Tsy nikely soroka ny fitondram-panjakana sy ny Ministera mpiahy niezaka nitady vahaolana hatrany mba handehan’ireto atleta mpibata fonjamby ireto noho ny maha zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’ity fifaninana ity satria dia làlana iray ahafahan’izy ireo handray anjara amin’ny lalao olampika izay hatao any Tokyo afaka 2 volana.
Marihina fa i Madagasikara no tokony nandray ity lalao ity fa noho ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19 dia voatery nafindra amin’ny firenen-kafa izany ka i Kenya no nanaiky nandray azy.
Ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihin’Andriamatoa TINOKA Roberto dia eo anilan’ireo federasiona rehetra hatrany ary miezaka mandrakariva mitady ny fomba rehetra hampandrosoana ny tontolon’ny Fanatanjahantena malagasy.
Alefa Haltérophilie
Alefa Madagasikara
CHAMPIONNAT D’AFRIQUE DE L’HALTEROPHILIE A KENYA: MADAGASCAR Y PARTICIPE
La délégation malagasy d’Haltherophilie a pris le vol pour Nairobi tôt ce matin pour disputer le championnat d’Afrique du 27 au 30 mai.
Grâce aux efforts conjoints de SEM le Président Andry RAJOELINA et du Ministre de la Jeunesse et des Sports, Monsieur TINOKA Roberto, ainsi que du président de la Fédération Malgache d’Haltérophilie, Monsieur Harinelina RANDRIAMANARIVO celà a été rendu possible .
Les circonstances de la pandémie Covid-19 sont à l’origine des problèmes liés au départ de la délégation malgré toute l’aide financière nécessaire fourni par le Ministère de la Jeunesse et des Sports afin de pouvoir participer à ce championnat.
L’Etat Malagasy et le Ministère de tutelle ont remué ciel et terre pour rechercher une solution afin que nos athlètes puissent participer à ce championnat. Il est à noter que leur participation est importante puisque c’est une des dernières étapes de qualification aux Jeux Olympiques qui se tiendront à Tokyo dans 2 mois .
Il convient de noter que Madagascar aurait dû accueillir ce championnat mais en raison de la recrudescence du Covid-19, il a dû être transféré dans un autre pays à l’endroit du Kenya.
Le Ministère de la Jeunesse et des Sports dirigé par M. TINOKA Roberto réitère son soutien aux fédérations afin de promouvoir le développement du sport malagasy faisant partie intégrante du Velirano présidentiel.
Alefa Haltérophilie
Alefa Madagasikara