MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

VALAN-DRESAKA NIARAHANA TAMIN’IREO MPANAO GAZETY NATAON’NY TALE JENERALY MISAHANA NY FANATANJAHANTENA SY NY FILOHAN’NY FEDERASIONA MALAGASY NY FIBATANA FONJAMBY

Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety androany 27 May 2021 ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny Fibatana Fonjamby Andriamatoa Harinelina RANDRIAMARIVO sy ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY nitondra fanazavana mahakasika ny fandehanan’ireo atleta malagasy hiatrika ny fiadiana ho tompondakan’ny Afrika amin’ny taranja fibatana Fonjamby izay hatao any Kenya ny 27 ka hatramin’ny 30 May izao.

Fisaorana no nasetrin Andriamatoa Filohan’ny Federasiona nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony , dia ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izany noho ny ezaka nataony, tsy nandry andro tsy nandry alina hoy izy ny Filoha nitady ny vahaolana. Fantatra mantsy fa nanolotra fiaramanidina manokana ho an’izy ireo ny Filoha ahafahany mamonjy izany lalao atao any Kenya izany.

Isaorana lehibe ihany koa hoy izy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena niara-nisalahy tao anatin’izany fitadiavana vahaolana izany nanampy tamin’ny fanomanana sy fikarakarana rehetra ary nanohana ara-bola azy ireo amin’izao fandehanan’ny ekipa malagasy ny taranja Fonjamby ireo izao.

Tetsy ankilany, dia nanolotra ny fisaorana ny Filoham-pirenena sy ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena manoloana ny ezaka natao rehetra izay hita fa tena tsy mora ary maro no tsy niankina tamintsika. Nampita ny fisaorana sy fankaherezana ho an’ny federasiona satria matoa hoy izy isika manana atleta misolontena amin’ireny taranja ireny, dia eo ny fikarakarana ataon’ny Federasiona izay tsy natao ambanin-javatra, ary mankasitraka izany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihin’ny Minisitra Tinoka Roberto. Izay indrindra hoy ny Tale Jeneraly no antony mahasaro-piaro ny Minisitra amin’ny fanampiana sy fanaraha-maso akaiky ny ezaka ataon’ny Federasiona tsirairay.

Taorian’izay dia nitondra fanazavana mahakasika ny antony tsy nandraisantsika teto Madagasikara an’io lalao io, izay nohon’ny valan’aretina Covid-19 niaraha-mahalala ary tena nampikorontana zavatra maro amin’ny sehatra rehetra ka voakasika tamin’izany ny tontolon’ny fanatanjahan-tena. Na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza dia lasa fihaonana virtoaly no misy manoloana ny olana rehetra nasetrin’ny fihanak’io valan’aretina io manerantany.

Tsy nipetra-potsiny nefa ny Minisitera mpiahy sy ny Federasiona manoloana izany fa nitady hatrany ny vahaolana ahafahan’ny ekipa malagasy nandray anjara.

Autre Articles

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...

Fifaninanana Robotika

Fifaninanana Robotika

Nahafaly ahy ny nandray ireo tanora 7 hisolo tena an'i Madagasikara any Estonie amin'ny Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny Robotika. Isaorana ny Stem 4 Good izay nampiray ireto tanora avy amin'ny faritra isan-karazany eto Madagasikara. Hanampy azy ireo ny...

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

Tontosa anio 15 Oktobra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa eo amin'ny Malagasy RUGBY sy ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo...