MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

PBF: FIVORIAN’NY KOMITY MPITANTANA

Tontosa androany ny fivoriana nataon’ny Komity mpitantana ny  PBF (Fonds pour la consolidation de la paix ) izay nanaovana tomban’ezaka ireo tetikasa tanterahina any amin’ny Faritra Atsimo.

Ny Praiministra Ntsay Christian no nitarika ny fivoriana izay notronin’ireo mpikambana ao amin’ny gouvernemanta sy ireo masoivoho ao amin’ny Firenena Mikambana izay tarihin’i Andriamatoa Issa Sanogo,mpandrindra maharitry ny firenena mikambana eto Madagasikara.

Isany nandray anjara tamin’izany  ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ka tao no  nitondran’i Tale misahana ny Fampananasa ho an’ny Tanora (DEEJ), Andriamatoa JOSSO TIANA Anjelos, ny tatitra amin’ny tetikasa « TANOMAFY ».

Ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa Juliana RATOVOSON kosa nitondra ny tetikasa « art populaire  au service des jeunes engagés pour la consolidation de la paix dans le Sud de Madagascar », ary dia nankatoavin’ny Komity Mpitantana  ny fanohizana ny tetikasa mandritra ny enim-bolana.

PBF: REUNION DU COMITE DE PILOTAGE

La réunion du Comité de Pilotage du PBF (Fonds pour la Consolidation de la Paix) s’est tenue aujourd’hui pour une évaluation des projets en cours  dans la Région Sud de Madagascar.

Cette réunion a été présidée par le Premier Ministre, M. Ntsay Christian avec la participation des membres du gouvernement et les organisations des Nations Unies menées par M. Issa Sanogo, Coordonnateur Résident des Nations Unies à Madagascar.

Le ministère de la Jeunesse et des Sports est représenté par le Directeur de l’Entrepreneuriat et l’Emploi des Jeunes (DEEJ), M. JOSSO TIANA Anjelos qui  a présenté le projet «TANOMAFY».

 Quant au  Directeur Général de la Jeunesse, Mme Juliana RATOVOSON a fait la présentation du projet «L’ art populaire au service des jeunes engagés dans la consolidation de la paix dans le sud de Madagascar», dont sa continuité a été approuvée par le Comité de pilotage d’une durée de six mois.

Autre Articles

KIANJA BAREA MAHAMASINA

KIANJA BAREA MAHAMASINA

Antsika Malagasy rehetra manerana an'i Madagasikara ny Kianja BAREA. Tokony ho saro-piaro isika amin’ny fitandroana ity fotodrafitrasa lehibe ity, satria sady fananana iombonana ny Kianja BAREA no sady fananam-pirenena. Io no kianja hiarovana ny voninahi-pirenena,...

FAHATONGAVAN’I SAMUEL ETO’O ETO MADAGASIKARA

FAHATONGAVAN’I SAMUEL ETO’O ETO MADAGASIKARA

Anio 01 septambra 2021 no  nigadona eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ilay kitan'ny Baolina kitra kameroniana fanta-daza maneran-tany tao amin'ny klioba FC Barcelone sy Lions Indomptables  Samuel Eto'o izay ny Filoham-pirenena no nanasa manokana azy ho...

FITOKANANA NY I-TAFA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY.

FITOKANANA NY I-TAFA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY.

Anio 31 Aogositra 2021 no notokanana tamin'ny fomba ofisialy ny ivon-toerana I-TAFA etsy Ambohijatovo ambony. Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora eo anivon'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ramatoa Juliana RATOVOSON....

KIANJA BAREA : NAHAZO FAHAFAHANA MAMPIDITRA MPIJERY

KIANJA BAREA : NAHAZO FAHAFAHANA MAMPIDITRA MPIJERY

Taorian'ny fitsidihana sy fijerena nataon'ny teknisianina avy ao amin'ny Kaofederasiona Afrikanina ny baolina kitra (CAF) dia nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena MAMOD’ALI Hawel. Nambarany tamin'izany fa nahazo...