MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

LALAO FAMARANANA NY FIFANINANANA « HAY TAKY HAVORIA »

Ao anatin’ny hetsika nokarakarain’ny Havoria  ny lalao  « Hay Taky havoria », izay natao omaly zoma 28 Mey 2021 nanomboka tamin’ny 9 ora maraina tao amin’ny ex-cite Ambatonakanga ny lalao famaranana izany lalao izany .

Raha Tsiahivina ny Havoria dia Seminera lehibe ataon’ny firaisamonim-pirenena, tohanan’ny Service de Cooperation et Action Culturelle de l’Ambassade de France aty  Madagasikara sy FANAINGA. Manana tanjona manokana ny Havoria, mitondra ireo Hay taky (plaidoyer), ireo tolon-kevitra  (Proposition) hitondra fanovana  iriana ho vohizina, ary mifampizara traik’efa, mba hanamafisana orina ny anjaratoeran’ny firaisamonim-pirenena.

Izao hetsika izao dia  natrehin’ny mpitsara miisa 4 avy amin’ny Ministera isan-tsokajiny ka  anisan’ny nanatrika izany ny Tale Fampiroboroboana ny Alavoly, Ramatoa Ursula ROMAIN izay nisolontena ny Tale Jeneralin’ny Ministera ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Samy nanolotra ny Hay taky ireo tarika 5 nandray anjara tamin’ity lalao famaranana andiany voalohany ity.

  • Ny tarika FMC mozika nikalo hira mitondra ny lohateny hoe « omeo anay ».
  • Ny  tarika DEEP niangaly slam « teny kely ».
  • I Darcel Ulrich nanolotra « discours en  français »
  • I Narindra nanao ny slam « avelao »
  • Ny tarika Tanora Tia Fandrosoana (TTF) avy amin’ny Faritra Bongolava dia nanao rap « mijoroa ».

Ny hevi-dehibe an’ ireo tanora dia manodidina ny fahafahana maneho hevitra, ny zo hahazo vaovao, ny ady  amin’ny kolikoly ary ny fanomezana asa ho an’ny tanora. Ka ny nahazo ny laharana voalohany dia i Darcel Ulrich.

Rehefa izay dia niroso ny fanomezana loka ho an’ny mpandray anjara. Ary  nofaranana tamin’ny kabary nifandibiambasan’ ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena, ny Fanainga, ny solontenan’ny Masoivoho Frantsay eto Madagasikara. Ny Masoivoho ny firaisamben’ny Europeana kosa no nanakatona ny lanonana.

Fanombohana ihany izao hetsika atao izao fa mbola hitohy ny fiaraha-mientana ataon’ny firaisamonim-pirenena toy izao.

CONCOURS FINAL « HAY TAKY HAVORIA »

HAVORIA a organisé un concours « HAY TAKY HAVORIA »  qui a eu lieu dans l’ex-cité Ambatonakanga le 28 mai 2021.

Havoria est un séminaire organisé par la société civile et appuyé par le Service de Coopération et Action Culturelle de l’Ambassade de France à Madagascar et FANAINGA. Son objectif est de faire un plaidoyer et donner des propositions pour aboutir à un changement ainsi que  partager des expériences afin de renforcer la place de la société civile.

Des représentants du ministère ont été désignés comme juge du concours. Le directeur de la Promotion de Loisirs, Madame Ursula ROMAIN a représenté le Directeur Général  du Ministère de la Jeunesse et des Sports.

Cinq groupes ont participé à ce concours, dont chacun a présenté son technique de plaidoyer.

  • Le groupe de musique FMC avec sa chanson intitulée « Omeo anay ».
  • Le groupe DEEP a fait un Slam « teny kely ».
  • Darcel Ulrich a prononcé un « discours en français »
  • Narindra  avec son slam « avelao ».
  • Groupe Tanora Tia Fandrosoana (TTF) de la région de Bongolava fait du rap avec un titre  « Mijoroa. »

Le thème s’est focalisé sur la liberté d’expression, le droit à l’information, la lutte contre la corruption et de l’emploi des jeunes. Darcel Ulrich a été désigné comme le grand gagnant du concours .

La cérémonie de remise des prix pour les participants est suivie d’une série de discours par le représentant de la société civile, Fanainga et le représentant de l’ambassade de France à Madagascar. L’ ambassadeur de l’Union européenne a clôturé la cérémonie.

Ce concours marque le début des activités dont la société civile continueront à poursuivre.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...