MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TOLIARA: KIANJA MANARAPENITRA « MAITRE KIRA »

Taorian’ny fitsidihina ny kianja mitafo  tao Toliara dia tonga nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra « Maitre Kira » ihany koa  ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Tinoka Roberto androany30 May 2021.

Mandroso ny asa fanamboarana izany kianja izany satria dia efa 30 isan-jaton’ny asa no efa vita.

Tao anatin’izany fitsidiana izany dia tsy adinon’Andriamatoa Minisitra ny niarahaba an’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA  amin’izao nahatratrarany ny  tsingerintaona nahaterahany izao sy nirary soa ho an’ireo reny rehetra amin’izao fetin’ny reny izao.

Tsy diso anjara ihany koa ireo tanora mpanao fanatanjahantena ao anatin’ireo ligim-paritra Atsimo Andrefana tao anatin’izao fitsidihina izao satria dia nanolotra vatsy ho azy ireo ihany koa ny Minisitra.

TOLIARA: VISITE  DU STADE MANARAPENITRA MAITRE KIRA

Après le constat du déroulement de la construction du Gymnase couvert Manarapenitra à Andaboly, dans la même journée, le Ministre de la Jeunesse et des Sports TINOKA Roberto s’est rendu sur  le Stade Manarapenitra Maître Kira pour évaluer l’avancement de la construction de ce dernier.

La construction se poursuit de jour en jour  et selon Monsieur  le Ministre, 30% des travaux en sont achevés.

Il a saisi cette occasion pour adresser ses meilleurs vœux et souhaits au Président de la République, SEM Andry RAJOELINA en cette journée qui lui est dédiée et tenait à souhaiter à toutes les mères une bonne fête en ce jour festif.

Le Ministre TINOKA Roberto  n’a pas manqué de faire des dons aux jeunes athlètes issus des Ligues Atsimo Andrefana.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...