MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

GTCF: FANKALAZANA NY FAHA-20 TAONA

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny CONFEJES ary ny delegen’ny GTCF eto Madagasikara dia nanatanteraka hetsika ho an’ny tanora sy fanatanjahantena ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-20 taona niorenan’ny GTCF (GROUPE DE TRAVAIL POUR LA PROMOTION DE LA PARTICIPATION DES FEMMES ET DES JEUNES FILLES AUX ACTIVITÉS DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS) tao amin’ny ANS (AcadĂ©mie Nationale des Sports) Ampefiloha androany faha-04 Jona 2021.

Lanonana izay natrehan-dRamatoa Juliana RATOVOSON, Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa ZARINAH Harinandrianina, Tale misahana ny CNSE (Centre National du Sport Etude) sady delege misahana fanatanjahantena, Ramatoa Norohaingo RAKOTOSEHENO, tale misahana ny DSRPJ ( Direction de la SantĂ© de la Reproduction et de la Protection des Jeunes) no sady delege misahana ny tanora ary ireo tompon’andraikitra vehivavy eo anivon’ny Minisitera.

Ny fampiroboroboana ny fandraisana anjara ataon’ny vehivavy sy ireo tovovavy hahatonga azy ho tompon’andraikitra hanana fanapahan-kevitra eo amin’ny sehatra rehetra, ary ho isan’ireo vehivavy mandray anjara feno amin’ny famporisihana ny fampiroboroboana sy ny fahaleovantenan’ny vehivavy amin’ny sehatra rehetra no andraikitra imasoan’ny GTCF. Nisy araka izany ny teny filamatra nivoizina entina handresena lahatra ny daholobe sy hamporisihana ireo rehetra mpanapa-kevitra mba hisehatra eo amin’ny fampanajana ny zon’ny vehivavy : « Ny vehivavy tanora misehatra ho an’ny fanovana eo anivon’ny fiaraha-monina » ary «Famporisihana ho amin’ny fahaleovantenan’ny vehivavy ».

Vehivavy sy tovovavy miisa dimampolo avy amin’ireo fikambanana tanora samihafa toy ny Tanora Garan’Teen, solonten’ireo atleta vehivavy sy fikambanan’ny vehivavy mpilalao baolina lavalava no nandray anjara mavitrika tamin’ny fampisehoana dihy mirindra.

Ao anatin’ny fanajana ny tsy fanilikilihana dia vehivavy dimy avy ao amin’ireo fikambanana marenina mpanao fanatanjahantena eto Antananarivo no tonga nandray anjara tamin’ny hetsika.

Ireo mpandray anjara rehetra ary ireo olona nasaina dia notolorana ny “kit” fankalazana ny faha-20 taona GTCF izay misy hafatra manokana momba ny zon’ny vehivavy.

Noho ny hamehana ara-pahasalamana sy ady atao amin’ny Covid-19, ny fikarakarana ny hetsika ara-kolotoraly sy ny ara-zava-kanto dia natao indrindra hanairana ireo mpandray anjara amin’ny maha zava-dehibe ny « mampiasĂ  vatana mba ho salama» na « bouger pour avoir une vie saine et meilleure ».

Ity hetsika ity dia natao ho fitaovana fanairana eo anivon’ny Minisitera izay iaraha-miasa amin’ny CONFEJES mba hitohizan’ny hetsika fampiroboroboana ny vehivavy amin’ny sehatra rehetra.

GTCF: CÉLÉBRATION DU 20 ÈME ANNIVERSAIRE .

Le MinistĂšre de la Jeunesse et des Sports en partenariat avec la CONFEJES et les dĂ©lĂ©guĂ©s GTCF Madagascar a organisĂ© une cĂ©rĂ©monie riche en activitĂ©s sportives et de jeunesse afin de marquer la cĂ©lĂ©bration nationale de la 20Ăšme annĂ©e d’existence du GTCF (GROUPE DE TRAVAIL POUR LA PROMOTION DE LA PARTICIPATION DES FEMMES ET DES JEUNES FILLES AUX ACTIVITÉS DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS) Ă  l’AcadĂ©mie Nationale des Sports (ANS) Ampefiloha.

L ‘Ă©vĂšnement s’est dĂ©roulĂ© en prĂ©sence du Directeur GĂ©neral de la Jeunesse Madame Juliana RATOVOSON, du Directeur CNSE/DĂ©lĂ©guĂ©e Sports, Madame ZARINAH Harinandrianina et de Madame Noro Haingo RAKOTOSEHENO, Directeur de la SantĂ© et de la Protection des Jeunes/DĂ©lĂ©guĂ©e Jeunesse, ainsi que le staff fĂ©minin au sein du MinistĂšre de la Jeunesse et des Sports.

Les missions principales des membres du GTCF dans les pays consistent Ă  promouvoir la participation des jeunes filles et des femmes Ă  toutes les instances de prise de dĂ©cision , d’intĂ©grer la composante genre dans les diffĂ©rentes actions ou orientations stratĂ©giques concernant la promotion de la femme et viser entre autres leur autonomisation sur tout le plan. Ainsi, un slogan y affĂ©rent a Ă©tĂ© brandi afin de sensibiliser l’opinion publique et d’encourager les dĂ©cideurs Ă  investir davantage dans la lutte en faveur des droits des femmes: « Les jeunes filles, acteurs du changement de la communautĂ© » et « Promouvoir l’autonomisation des jeunes filles et des femmes ».

Une cinquantaine de jeunes filles et femmes issues de diffĂ©rentes associations de jeunesse telles que Tanora Garan’Teen, des reprĂ©sentantes de l’athlĂ©tisme, de l’association sportive du « Rugby femme » ont marquĂ© et participĂ© activement au mouvement d’ensemble.

Adoptant le respect de l’inclusion, cinq jeunes femmes appartenant Ă  l’association sportive des sourds d’Antananarivo ont Ă©galement contribuĂ© aux activitĂ©s. Les invitĂ©s ainsi que les parties prenantes Ă  cette action ont Ă©tĂ© dotĂ©es en kits de la cĂ©lĂ©bration vĂ©hiculant l’image du GTCF et des messages spĂ©cifiques portant sur les droits de la gente fĂ©minine.

Se trouvant encore dans un contexte liĂ© Ă  la pandĂ©mie de la covid-19, l’organisation des manifestations culturelles et artistiques sous forme de flash-mob consiste en plus Ă  alerter les participantes sur l’importance de « bouger pour avoir une vie saine et meilleure ». Cette action de cĂ©lĂ©bration servirait d’un catalyseur au sein du MinistĂšre et en partenariat avec la CONFEJES afin de poursuivre les interventions ciblant la promotion de la femme sur tout le plan.

Autre Articles

FARITRA DIANA: FIOFANAN’NY JUNIOR REPORTERS CLUBS

FARITRA DIANA: FIOFANAN’NY JUNIOR REPORTERS CLUBS

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fampiofanana ireo Junior Reporters Clubs miisa 30 mianadahy. Ampiofanina azy ireo mandritra izany ny lohahevitra mifandraika amin'ny fiainan'ny zatovo sy ny tanora, ny fihetsika fototra fanaon'ny ankohonana, ny U-Report Madagasikara...