MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

GTCF: FANKALAZANA NY FAHA-20 TAONA

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny CONFEJES ary ny delegen’ny GTCF eto Madagasikara dia nanatanteraka hetsika ho an’ny tanora sy fanatanjahantena ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-20 taona niorenan’ny GTCF (GROUPE DE TRAVAIL POUR LA PROMOTION DE LA PARTICIPATION DES FEMMES ET DES JEUNES FILLES AUX ACTIVITÉS DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS) tao amin’ny ANS (Académie Nationale des Sports) Ampefiloha androany faha-04 Jona 2021.

Lanonana izay natrehan-dRamatoa Juliana RATOVOSON, Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa ZARINAH Harinandrianina, Tale misahana ny CNSE (Centre National du Sport Etude) sady delege misahana fanatanjahantena, Ramatoa Norohaingo RAKOTOSEHENO, tale misahana ny DSRPJ ( Direction de la Santé de la Reproduction et de la Protection des Jeunes) no sady delege misahana ny tanora ary ireo tompon’andraikitra vehivavy eo anivon’ny Minisitera.

Ny fampiroboroboana ny fandraisana anjara ataon’ny vehivavy sy ireo tovovavy hahatonga azy ho tompon’andraikitra hanana fanapahan-kevitra eo amin’ny sehatra rehetra, ary ho isan’ireo vehivavy mandray anjara feno amin’ny famporisihana ny fampiroboroboana sy ny fahaleovantenan’ny vehivavy amin’ny sehatra rehetra no andraikitra imasoan’ny GTCF. Nisy araka izany ny teny filamatra nivoizina entina handresena lahatra ny daholobe sy hamporisihana ireo rehetra mpanapa-kevitra mba hisehatra eo amin’ny fampanajana ny zon’ny vehivavy : « Ny vehivavy tanora misehatra ho an’ny fanovana eo anivon’ny fiaraha-monina » ary «Famporisihana ho amin’ny fahaleovantenan’ny vehivavy ».

Vehivavy sy tovovavy miisa dimampolo avy amin’ireo fikambanana tanora samihafa toy ny Tanora Garan’Teen, solonten’ireo atleta vehivavy sy fikambanan’ny vehivavy mpilalao baolina lavalava no nandray anjara mavitrika tamin’ny fampisehoana dihy mirindra.

Ao anatin’ny fanajana ny tsy fanilikilihana dia vehivavy dimy avy ao amin’ireo fikambanana marenina mpanao fanatanjahantena eto Antananarivo no tonga nandray anjara tamin’ny hetsika.

Ireo mpandray anjara rehetra ary ireo olona nasaina dia notolorana ny “kit” fankalazana ny faha-20 taona GTCF izay misy hafatra manokana momba ny zon’ny vehivavy.

Noho ny hamehana ara-pahasalamana sy ady atao amin’ny Covid-19, ny fikarakarana ny hetsika ara-kolotoraly sy ny ara-zava-kanto dia natao indrindra hanairana ireo mpandray anjara amin’ny maha zava-dehibe ny « mampiasà vatana mba ho salama» na « bouger pour avoir une vie saine et meilleure ».

Ity hetsika ity dia natao ho fitaovana fanairana eo anivon’ny Minisitera izay iaraha-miasa amin’ny CONFEJES mba hitohizan’ny hetsika fampiroboroboana ny vehivavy amin’ny sehatra rehetra.

GTCF: CÉLÉBRATION DU 20 ÈME ANNIVERSAIRE .

Le Ministère de la Jeunesse et des Sports en partenariat avec la CONFEJES et les délégués GTCF Madagascar a organisé une cérémonie riche en activités sportives et de jeunesse afin de marquer la célébration nationale de la 20ème année d’existence du GTCF (GROUPE DE TRAVAIL POUR LA PROMOTION DE LA PARTICIPATION DES FEMMES ET DES JEUNES FILLES AUX ACTIVITÉS DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS) à l’Académie Nationale des Sports (ANS) Ampefiloha.

L ‘évènement s’est déroulé en présence du Directeur Géneral de la Jeunesse Madame Juliana RATOVOSON, du Directeur CNSE/Déléguée Sports, Madame ZARINAH Harinandrianina et de Madame Noro Haingo RAKOTOSEHENO, Directeur de la Santé et de la Protection des Jeunes/Déléguée Jeunesse, ainsi que le staff féminin au sein du Ministère de la Jeunesse et des Sports.

Les missions principales des membres du GTCF dans les pays consistent à promouvoir la participation des jeunes filles et des femmes à toutes les instances de prise de décision , d’intégrer la composante genre dans les différentes actions ou orientations stratégiques concernant la promotion de la femme et viser entre autres leur autonomisation sur tout le plan. Ainsi, un slogan y afférent a été brandi afin de sensibiliser l’opinion publique et d’encourager les décideurs à investir davantage dans la lutte en faveur des droits des femmes: « Les jeunes filles, acteurs du changement de la communauté » et « Promouvoir l’autonomisation des jeunes filles et des femmes ».

Une cinquantaine de jeunes filles et femmes issues de différentes associations de jeunesse telles que Tanora Garan’Teen, des représentantes de l’athlétisme, de l’association sportive du « Rugby femme » ont marqué et participé activement au mouvement d’ensemble.

Adoptant le respect de l’inclusion, cinq jeunes femmes appartenant à l’association sportive des sourds d’Antananarivo ont également contribué aux activités. Les invités ainsi que les parties prenantes à cette action ont été dotées en kits de la célébration véhiculant l’image du GTCF et des messages spécifiques portant sur les droits de la gente féminine.

Se trouvant encore dans un contexte lié à la pandémie de la covid-19, l’organisation des manifestations culturelles et artistiques sous forme de flash-mob consiste en plus à alerter les participantes sur l’importance de « bouger pour avoir une vie saine et meilleure ». Cette action de célébration servirait d’un catalyseur au sein du Ministère et en partenariat avec la CONFEJES afin de poursuivre les interventions ciblant la promotion de la femme sur tout le plan.

Autre Articles

FARITRA VAKINANKARATRA: FIHAONANA TAMIN’IREO TANORA.

FARITRA VAKINANKARATRA: FIHAONANA TAMIN’IREO TANORA.

Tsy diso anjara ireo tanora tao amin'ny Faritra Vakinankaratra tamin'ny fitsidihan'ny Tale Jeneraly misahana ny tanora eo anivon'ny Ministeran'ny Tanora sy Fanatanjahantena Ramatoa Juliana RATOVOSON tao Antsirabe androany 20 Jolay 2021. Ho amin'ny fampandrosoana ny...

ZAIKABE REZIONALY NY TANORA 2021.

ZAIKABE REZIONALY NY TANORA 2021.

Tanterahina nanomboka ny 13 Jolay 2021 hatramin'ny faha 16 Jolay 2021 ao amin'ny Centre Valbio Ranomafana ny Zaikabe Rezionaly fahatelo ho an'ny Tanora izay tafiditra ao anatin'ny fandaharanasa SPICES, iarahan'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena miasa...

IVATO: FITSENANA IREO MAKIS AN’I MADAGASIKARA

IVATO: FITSENANA IREO MAKIS AN’I MADAGASIKARA

Nifarana ny 11 Jolay lasa teo ireo fifaninanana rehetra nandraisan’ireo ekipam-pirenena Malagasy miisa 3 anjara eo amin’ny taranja rugby. Tsara ny vokatra amin'ny ankapobeny ary tsy nitsanga-menatra isika Malagasy satria fandresena 4 no azon'ireo Makis an'i...