MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

MAHITSY : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Notanterahana anio 6 Jona 2021 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao tao Mahitsy izay ao anatin ‘ny Distrika Ambohidratrimo.

Tonga nitokana izany ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA, notronin’ ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Governoran’ ny faritra Analamanga, ny Ben’ny tanàna, ireo Solombavambahoaka ary ireo manam- boninahitra isan-tsokajiny.

Nisaotra an’Atoa Filoham-pirenena ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena Andriamatoa TINOKA Roberto nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony. Notsindriny manokana fa miisa 33 ireo kianja manarapenitra efa andalam-pahavitana ary 30 mahery no mbola ho atao manerana an’i Madagasikara. Natao hampitoviana lenta ny tanora malagasy hoy izy ny fisian’ny foto-drafitrasa toy izao aty amin’ny Kaominina. Ary natao ihany koa hampiakarana ny lentan’ny tontolon’ny baolina kitra sy ny fanatanjahantena amin’ny ankapobeny.

Nentin’ i Andriamatoa Filoha Andry RAJOELINA nanombohana ny lahateniny fa laharam-pahamehana ny fametrahana foto-drafitrasa mba ho fampitovian-jo ny faritra rehetra, ka haparitaka manerana ny distrika maro izany ho fampitoviana ny zanaka Malagasy. Nosafidiany manokana ny kianja eto Mahitsy anombohana ny fitokanana araka ny Velirano nataony tamin’ny vahoaka avy ao an-toerana nandritra ny fampihelezan-kevitra ka natolony am-pitiavana ho an’ny kaominina eto Mahitsy tamin’ny fomba ofisialy ny kianja manarapenitra vaovao izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Hatsangana tsy lavitra ny Tanamasoandro ihany koa ny « Académie Nationale de Sport de haut niveau » izay ho tantanin’i Nicolas Dupuis.

Teo am-pamaranana dia nanolotra fitaovana (baolina, fanamiana) ho an’ny mpanao fanatanjahantena ao Mahitsy ny Filoham-pirenena.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...