MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIHAONAN’ANDRIAMATOA MINISITRA TAMIN’IREO TANORA MPIKATROKA TARANJA SAVATE BOXE FRANÇAISE.

Noraisin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto tao amin’ny biraony ao Ambohijatovo anio 8 Jona 2021, ireo tanora mpikatroka ny taranja « savate boxe française  » izay manoman-tena hiatrika ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany any Serbie, Eoropa Antsinanana ny 30 Jona hatramin’ny 4 Jolay 2021 ho avy izao.

Nitso-drano azy ireo  Andriamatoa Minisitra nandritra ny fihaonana ary namporisika ny  hanohizana hatrany ny fanaovana fanatanjahantena satria manana tombony tokoa hoy izy ny mpanao fanatanjahantena indrindra fa ny mpanao Hay Ady amin’ny fananany ny « esprit combattant ».

Namaly ny fangatahan’izy ireo ihany koa Andriamatoa Minisitra ary hitondra ny anjara birikiny ny Minisitera ho fanampiana azy ireo amin’ny fandehanana any Serbie.

Tetsy ankilany,  dia nitondra ny teny fisaorana  ho an’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny solotenan’ireo mpikatroka ary nampanantena izy ireo fa tsy hody tanam-polo ary nanome toky fa vonona hiaro ny voninahi-pirenena.

Teo am-pamaranana dia nanambara Andriamatoa Minisitra fa ny filoha hajaina Andry RAJOELINA no tena hisaorana amin’ny fanampiana ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

KIANJA BAREA MAHAMASINA

KIANJA BAREA MAHAMASINA

Antsika Malagasy rehetra manerana an'i Madagasikara ny Kianja BAREA. Tokony ho saro-piaro isika amin’ny fitandroana ity fotodrafitrasa lehibe ity, satria sady fananana iombonana ny Kianja BAREA no sady fananam-pirenena. Io no kianja hiarovana ny voninahi-pirenena,...

FAHATONGAVAN’I SAMUEL ETO’O ETO MADAGASIKARA

FAHATONGAVAN’I SAMUEL ETO’O ETO MADAGASIKARA

Anio 01 septambra 2021 no  nigadona eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ilay kitan'ny Baolina kitra kameroniana fanta-daza maneran-tany tao amin'ny klioba FC Barcelone sy Lions Indomptables  Samuel Eto'o izay ny Filoham-pirenena no nanasa manokana azy ho...

FITOKANANA NY I-TAFA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY.

FITOKANANA NY I-TAFA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY.

Anio 31 Aogositra 2021 no notokanana tamin'ny fomba ofisialy ny ivon-toerana I-TAFA etsy Ambohijatovo ambony. Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora eo anivon'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ramatoa Juliana RATOVOSON....

KIANJA BAREA : NAHAZO FAHAFAHANA MAMPIDITRA MPIJERY

KIANJA BAREA : NAHAZO FAHAFAHANA MAMPIDITRA MPIJERY

Taorian'ny fitsidihana sy fijerena nataon'ny teknisianina avy ao amin'ny Kaofederasiona Afrikanina ny baolina kitra (CAF) dia nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena MAMOD’ALI Hawel. Nambarany tamin'izany fa nahazo...