MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

COMESA : FIVORIAN’IREO TEKNISIANA AMBONY MISAHANA NY TANORA

Nanomboka anio 14 Jona 2021 ny fivoriana ampitain-davitra tanterahin’ireo teknisiana ambony misahana ny Tanora eo anivon’ny firenena mpikambana ao anatin’ny COMESA (Common Market for Eastern and Southern Africa), izay ahitana firenena 21.

Amin’ny maha filohan’ny COMESA an’i Madagasikara dia i Madagasikara no nitarika izany fivoriana izany ka ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora Ramatoa Juliana Ratovoson no mitarika izany ao anatin’ny 03 andro.

Ny vontoatin’ny fivoriana dia ny famolavolana paikady hampandrosoana ny tanora eo amin’ny lafiny fitarihana (leadership), ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fifidianana, ny fandriampahalemana,  ny fametrahana ny « Youth Advisory Panel » ary ireo paikady ara-tserasera.

Natao  izao fivoriana izao ho fanomanana ny fivoriamben’ ny Minisitry ny tanora ny 18 Jona izao, ahafahana mifampizara traikefa sy fampiharana mahomby eo anivon’ireo firenena rehetra mpikambana, ary ihany koa hitondrana tatitra mahakasika ny fandaharanasa ho fanomezan-danja ny Tanora sy ny vehivavy izay mifanaraka amin’ny tanjona napetraky ny Fiombonambe Afrikanina sy ny COMESA.

Aorin’izao atrikasa izao dia hisy ny tari-dalana stratejika ho entina hampivoarana sy hanampiana ny tanora izay hotanterahin’ireo ministera misahana ny tanora eny anivon’ny firenena mikambana @ COMESA.

Autre Articles

FARITRA VAKINANKARATRA: FIHAONANA TAMIN’IREO TANORA.

FARITRA VAKINANKARATRA: FIHAONANA TAMIN’IREO TANORA.

Tsy diso anjara ireo tanora tao amin'ny Faritra Vakinankaratra tamin'ny fitsidihan'ny Tale Jeneraly misahana ny tanora eo anivon'ny Ministeran'ny Tanora sy Fanatanjahantena Ramatoa Juliana RATOVOSON tao Antsirabe androany 20 Jolay 2021. Ho amin'ny fampandrosoana ny...

ZAIKABE REZIONALY NY TANORA 2021.

ZAIKABE REZIONALY NY TANORA 2021.

Tanterahina nanomboka ny 13 Jolay 2021 hatramin'ny faha 16 Jolay 2021 ao amin'ny Centre Valbio Ranomafana ny Zaikabe Rezionaly fahatelo ho an'ny Tanora izay tafiditra ao anatin'ny fandaharanasa SPICES, iarahan'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena miasa...

IVATO: FITSENANA IREO MAKIS AN’I MADAGASIKARA

IVATO: FITSENANA IREO MAKIS AN’I MADAGASIKARA

Nifarana ny 11 Jolay lasa teo ireo fifaninanana rehetra nandraisan’ireo ekipam-pirenena Malagasy miisa 3 anjara eo amin’ny taranja rugby. Tsara ny vokatra amin'ny ankapobeny ary tsy nitsanga-menatra isika Malagasy satria fandresena 4 no azon'ireo Makis an'i...