MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FAMARANANA NY FIVORIANA MAHAKASIKA NY FIAROVANA SY FANOMEZAN-DANJA NY LALAO SY NY FANATANJAHANTENA NENTIM-PAHARAZANA ATY AFRIKA

Nifarana anio 17 Jona 2021 ny fivoriana ampitain-davitra izay notarihin’ny African Traditional Sports and Games Confederation (ATSGC) sy ny UNESCO nandritra ny 3 andro izay nitondran’ireo teknisiana ambony momba ny fanatanjahantena manerana an’i Afrika soso-kevitra sy vina fampandrosoana entina hampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny lalao netim-paharazana aty Afrika.

Taorian’ny fifampizarana traikefa dia nisy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpandray anjara izay nandraisan’ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena no sady Filohan’ny CIGEPS, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY anjara.

Nisaotra ny African Traditional Sports and Games Confederation (ATSGC) sy ny UNESCO ny tenany tamin’ny fanatontosana izao fivoriana izao.

Madagasikara rahateo dia voasokajy aty Afrika ho firenena modely amin’ny fametrahana ny fanabeazana ara-batana tsara kalitao sy ny fampiharana ny drafitr’asa Kazan na Plan d’action de Kazan, ka manana anjara asa lehibe amin’ny fametrahana sy fampiroboroboana ny lalao sy fanatanjahantena nentim-paharazana izay voarakitra tanteraka ao anatin’io drafitr’asa io.

Soso-kevitra naroso ny fanamafisana ny traik’efa amin’ny alalan’ny fampiofanana ireo teknisiana ara-panatanjahantena eo anivon’ny Ministera misahana ny Fanatanjahantena sy ireo vondrona rehetra mpisehatra ao anatin’izany manerana an’i Afrika mba hahazoana sy hampitomboana fahaiza-manao manokana.

Madagasikara sy ny CIGEPS dia vonona hiaramiasa akaiky amin’ny African Traditional Sports and Games Confederation (ATSGC) mba hahatratrarana ny tanjona napetraka ary nankasitraka ny ezaka nataon’ny Vondrona Afrikanina sy UNESCO tamin’ny fanatanterahana izao fivoriana voalohany nampitain-davitra izao satria ny firenena Afrikanina dia manankarena amin’io lafiny io anisan’izany isika.

Anisany nanasongadina izany ny Lalaon’ny Frankofonia 2017 natao tany Abidjan izay nametraka tao anaty fandaharam-potoana ny tolona nentim-paharazana na « lutte traditionnelle, Lutte Africaine » izay nampisehoan’i Sénégal ny talentany tamin’ny alalan’ny dihy sy fomba amampanaony nanditra ny lalao.

Madagasikara koa dia tsy latsa-danja amin’izany lalao sy fanatanjahantena nentim-paharazana izany fa manana maro anisan’izany ny moraingy.

Zava-dehibe ny nahatafapetraka ny Kaonfederasiona Afrikanina momba ny lalao sy fanatanjahatena nentim-paharazana satria midika izany fa afaka miomana ny amin’ny hampidirana izany ho anisan’ny taranja mandritra ny lalao afrikanina ireo firenena afrikanina ary izay no anisan’ny tanjona lehibe izay hanome lanja tanteraka io sehatra io.

UNESCO_WEBINAIRE MINISTERIEL SUR LA SAUVEGARDE ET LA PROMOTION DES SPORTS ET JEUX TRADITIONNELS EN AFRIQUE

La Confédération Africaine des jeux et sports traditionnels en collaboration avec l’UNESCO organise un webinaire ministériel sur la sauvegarde et la promotion des sports et des jeux traditionnels en Afrique du 15 au 17 juin 2021.

Le webinaire vise à réunir les ministres des sports et les experts au sein  des Ministères des Sports de tout le continent pour discuter et assurer le suivi des engagements pris en faveur de la sauvegarde et de la promotion des jeux et sports traditionnels et endogènes, ainsi que pour élaborer une feuille de route en vue de l’inclusion officielle des jeux traditionnels et endogènes africains dans le programme des Jeux africains.

Madame RAKOTOZAFY Rosa, Directeur Général des Sports et Présidente du CIGEPS Madagascar a représenté le Ministre de la Jeunesse et des Sports Malagasy, Monsieur TINOKA Roberto.

Pendant sa prise de parole, elle n’a pas manqué de rappeler la pertinence des Recommandations d’Antananarivo dans le développement des politiques sportives cohérentes avec celles de l’Union Africain; l’inclusion et l’égalité des genres; l’implication des jeunes et la participation des personnes en situation de handicap; la mise en place de cadre légaux, institutionnels et des infrastructures adéquates.

Par la suite, Madame le Directeur Général de Sport a fait un rapport sur les activités et évènements entrepris sur l’EPQ à Madagascar.

A la fin, elle a affirmé que Madagascar et le CIGEPS sont prêts à travailler en étroite collaboration avec la Confédération Africaine des Jeux et Sports traditionnels (ATSGC) pour atteindre les objectifs fixés.

Autre Articles

TOAMASINA: FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO AN-TOERANA

TOAMASINA: FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO AN-TOERANA

Nisy ny fampiofanana ireo tanora izay natao tao amin'ny Centre Regionale de la Jeunesse et des Sports (CRJS) Toamasina izay nifarana anio 27 Aogositra 2021. Nandritra ny fidinana ifotony izay notanterahin-dRamatoa Juliana RATOVOSON Minisitra lefitra,Anio zoma 27...

FIFANINANANA TSIPY KANETIBE « GRAND OPEN ANALAMANGA »

FIFANINANANA TSIPY KANETIBE « GRAND OPEN ANALAMANGA »

Taorian'ny fitokanana ny kianja manarapenitra filalaovana tsipy kanetibe " FITARATRA 2023", tao Tongarivo, kaomina Tanjombato, ny zoma lasa teo dia nisy avy hatrany ny fifaninanana "Festival de Pétanque Grand Open Analamanga". Niisa 252 ireo ekipa olona telo miaraka...