MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

COMESA: FIVORIAN’IREO MINISITRA MISAHANA NY TANORA ETO AFRIKA.

Notanterahina anio 22 jona 2021 ny fivoriana ampitain-davitra voalohany ho an’ireo Minisitra misahana ny Tanora mpikambana ao anatin’ny COMESA (Common Market for Eastern and Southern Africa). Marihina fa ity fivoriana ity dia tohin’ilay fivoriana izay notontosain’ireo teknisiana ambony misahana ny Tanora natao ny 14 jona ka hatramin’ny 16 jona 2021.

Toy izao ireo lohahevitra nandritra ity fivoriana ity:

 Fampahafantarana sy famelabelarana nataon’ireo firenena mpikambana ary koa ireo mpandray anjara mahakasika ny ezaka sy dingana efa vitan’izy ireo mahakasika ny lohahevitra.

Fametrahana drafitra ho fanatanterahana ny tetikasan’ny tanora amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana sosialy sy ekonomika ao amin’ny fireneny.

Fanolorana ny tatitra mahakasika ny fivoriana voalohany nataon’ny komity ara-teknika.

Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Malagasy.

Nisolo tena an’Andriamatoa  Minisitra TINOKA Roberto tamin’izany  ny Sekretera Jeneraly Andriamatoa Lovatiako RALAIVAO .

Ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora Ramatoa Juliana RATOVOSON kosa no nandroso ny tatitra mahakasika ireo teboka nodinihana nandritra ny fivoriana ny herinandro lasa teo.

Teo am-pamaranana dia nahazo ny fankatoavan’ireo minisitra sy ireo firenena mpikambana ao anatin’ny COMESA ny tatitra naroso.

COMESA: REUNION DES MINISTRES DE LA JEUNESSE EN AFRIQUE.

La première réunion en visio-conférence des ministres de la jeunesse membres du COMESA (Common Market for Eastern and Southern Africa) s’est tenue ce jour, 22 juin 2021. Il est à noter que cette rencontre s’inscrit dans la continuité de celle qui s’est tenue le 14 juin jusqu’au 16 juin 2021 avec la participation des techniciens et experts de la Jeunesse. L’ordre du jour était les suivants :

– Présentations par les participants et pays membres sur les efforts et les démarches qu’ils ont déjà entreprises sur le sujet.

– Établissement d’un plan de mise en œuvre des projets des jeunes pour contribuer au développement social et économique de leur pays.

– Présentation du rapport de la première réunion du comité technique.

Le ministère de la jeunesse et des sports de Madagascar a activement participé à cette occasion, Monsieur le ministre TINOKA Roberto a été représenté par le Secrétaire Général M. Lovatiako RALAIVAO. Le Directeur Général de la Jeunesse, Mme Juliana RATOVOSON, a présenté un rapport sur les points discutés préalablement lors de la réunion de la semaine dernière.

À la fin de la réunion, le rapport proposé a reçu l’approbation des ministres et des pays membres du COMESA.

Autre Articles

FARITRA VAKINANKARATRA: FIHAONANA TAMIN’IREO TANORA.

FARITRA VAKINANKARATRA: FIHAONANA TAMIN’IREO TANORA.

Tsy diso anjara ireo tanora tao amin'ny Faritra Vakinankaratra tamin'ny fitsidihan'ny Tale Jeneraly misahana ny tanora eo anivon'ny Ministeran'ny Tanora sy Fanatanjahantena Ramatoa Juliana RATOVOSON tao Antsirabe androany 20 Jolay 2021. Ho amin'ny fampandrosoana ny...

ZAIKABE REZIONALY NY TANORA 2021.

ZAIKABE REZIONALY NY TANORA 2021.

Tanterahina nanomboka ny 13 Jolay 2021 hatramin'ny faha 16 Jolay 2021 ao amin'ny Centre Valbio Ranomafana ny Zaikabe Rezionaly fahatelo ho an'ny Tanora izay tafiditra ao anatin'ny fandaharanasa SPICES, iarahan'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena miasa...

IVATO: FITSENANA IREO MAKIS AN’I MADAGASIKARA

IVATO: FITSENANA IREO MAKIS AN’I MADAGASIKARA

Nifarana ny 11 Jolay lasa teo ireo fifaninanana rehetra nandraisan’ireo ekipam-pirenena Malagasy miisa 3 anjara eo amin’ny taranja rugby. Tsara ny vokatra amin'ny ankapobeny ary tsy nitsanga-menatra isika Malagasy satria fandresena 4 no azon'ireo Makis an'i...