MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

MORONDAVA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA VAOVAO.

Tonga nidina ifotony nijery ny fandroson’ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Morondava ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto androany 24 Jona 2021.

Nanotrona azy tamin’izany ny Mpandrindra Jeneraly misahana ny Tetikasa (CGP) eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Kolonely RAHERINJANAHARY Pierre Raymond, ny Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Governoran’ny Faritra Menabe, ny Ben’ny Tanàna ao Morondava, ny Solombavambahoaka voafidy tany any amin’ny Faritra, ary ny Prefet.

Nanambara Andriamatoa Minisitra fa mandroso ara-dalàna ny asa satria dia efa ny 85% ny fanamboarana ity kianja ity no vita.

Kianja mahazaka olona 4000, ary ahitana efitra efatra (4) ho an’ny mpitsara sy ny mpilalao, ary toeram-pidiovana efatra (4) ho an’ny lahy sy ny vavy.

Taorian’izany dia nanolotra fitaovana ho an’ireo mpilalao « Beach volley » eny anivon’ny Fokontany ao Morondava ny Minisitra.

MORONDAVA: VISITE DU NOUVEAU STADE MANARAPENITRA

Une visite de chantier pour la construction du stade Manarapenitra sise à Morondava s’est tenue le jeudi 24 juin 2021 en la présence de Monsieur le Ministre TINOKA Roberto.

Le Colonel RAHERINJANAHARY Pierre Raymond, Coordonnateur Général des Projets (CGP) au sein du Ministère de la Jeunesse et des Sports, le Directeur Régional de la Jeunesse et des Sports, le Gouverneur de la Région Menabe, le Maire de la Ville de Morondava, les Députés élus dans la Région ainsi que le Préfet ont pris part à la visite.

La construction est sur la bonne voie, affirme le Ministre, car 85% des travaux sont déjà achevés.

Rappelons, que le stade peut accueillir jusqu’à 4000 personnes, et est également doté de quatre (4) salles pour les arbitres et les joueurs, quatre (4) toilettes pour hommes et femmes.

A la fin de la descente, le Ministre de la Jeunesse et des Sports a fait une dotation de matériels aux joueurs de « Beach volley » de quartier de Morondava.

Autre Articles

AMBOHIDRATRIMO: FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

AMBOHIDRATRIMO: FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notokanana anio Alakamisy 10 Jona 2021, ny kianja manarapenitra tao AMBOHIDRATRIMO, faritra Analamanga. Mizotra mankany amin'ny fandrosoana tokoa ny firenena raha eo amin'ny lafiny fanatanjahantena no resahina satria dia kianja manarapenitra roa amin'ity kianja ity...

MAHITSY : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

MAHITSY : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Notanterahana anio 6 Jona 2021 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao tao Mahitsy izay ao anatin 'ny Distrika Ambohidratrimo. Tonga nitokana izany ny Filohan'ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA, notronin' ny Filohan'ny Antenimierandoholona, ny Minisitry ny...

GTCF: FANKALAZANA NY FAHA-20 TAONA

GTCF: FANKALAZANA NY FAHA-20 TAONA

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny CONFEJES ary ny delegen’ny GTCF eto Madagasikara dia nanatanteraka hetsika ho an'ny tanora sy fanatanjahantena ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-20 taona niorenan’ny GTCF (GROUPE DE TRAVAIL POUR LA PROMOTION...