MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FARADOFAY: FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY U-REPORT MADAGASIKARA

Tontosa anio 24 Jona 2021 tao amin’ny Tranoben’ny Tanora « Lanirano » Faradofay ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny « U-REPORT MADAGASIKARA » izay nanasana ny tanora avy ao amin’ny Faritra Anôsy ary notronin’ireo manam-pahefana sy mpiara-miombona antoka amin’ny Ministera.

Nisy ny fandraisam-pitenenana ka nandritra izany no nilazan-dRamatoa Juliana RATOVOSON, Tale Jeneraly misahana ny Tanora, fa zava-dehibe indrindra ny fandraisan’ny tanora andraikitra, ny fiaraha-mientan’izy ireo ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

Ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihin’ Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto hoy izy dia manome lanja ny zatovo sy ny Tanora mba hisian’ny fitoviana lenta ny tanora malagasy rehetra. Ekena fa tsy mitovy ny zava-misy atrehin’ny tanora, fa ny azo ambara dia manan-kevitra ny tanora, ilaina ny mihaino ny feony, izay no antom-pisian’izao fandaharan’asa izao ary voarakitra ao amin’ny Politika Nasionaly ny Tanora ny fampandraisana anjara ny Tanora eo anivon’ny firenena.

Nanamafy ihany koa ny Solon-tena maharitra eo anivon’ny UNICEF tamin’ny lahateny nataony amin’ny tokony hihainoana ny feon’ny Tanora.

Teo ankilan’izany dia nilaza ny Governoran’ny Faritra Anôsy fa hiara-hiasa amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izy ireo, mba tena ahafahana mijery ny olan’ny tanora ifotony sy mandroso vahaolana amin’izany.

Fahombiazana no azo ilazana ny hetsika, koa dia fankasitrahana no atolotra ny UNICEF, ny Ministera isan-tsokajiny sy ireo Fikambanana maro misehatra amin’ny tanora izay niara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa U-Report Madagasikara.

#U_REPORT_MADAGASIKARA

#MANANDANJA_NY_FEOKO

FORT DAUPHIN : LANCEMENT OFFICIEL DE U-REPORT MADAGASCAR

Ce 24 Juin 2021, a eu lieu le lancement officiel de « U-report Madagascar » à la Maison des jeunes « Lanirano » Fort dauphin.

Les jeunes issus de la Région Anôsy ont été conviés ainsi que les hautes autorités et les partenaires du Ministère qui ont honoré de leur présence à cet événement.

Durant son allocution, le Directeur Général de la Jeunesse, Madame Juliana RATOVOSON, a évoqué qu’il est primordial de responsabiliser les jeunes afin qu’ils puissent coopérer au développement de Madagascar. De plus, le Ministère de la Jeunesse et des Sports, dirigé par Monsieur TINOKA Roberto accorde une importance capitale à la jeunesse Malagasy pour que cette dernière soit traitée équitablement malgré les différentes circonstances. A travers ce programme inscrit dans la Politique Nationale de la Jeunesse, leurs voix et leurs idées seront entendus.

De son côté, le Représentant de l’UNICEF a affirmé durant sa prise de parole que les jeunes doivent être écoutés et entendus.

Pour sa part, le Gouverneur de la Région Anôsy a annoncé que, désormais, une étroite collaboration avec le Ministère de la Jeunesse et des Sports sera mise en œuvre pour le bien de la jeunesse dans la Région.

L’événement a été un succès. Un vif remerciement pour l’UNICEF, les différents ministères et les organisations œuvrant dans la jeunesse qui ont collaboré pour mettre en œuvre ce programme U-Report Madagascar.

#U_REPORT_MADAGASCAR #MANANDANJA_NY_FEOKO

Autre Articles

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...

Fifaninanana Robotika

Fifaninanana Robotika

Nahafaly ahy ny nandray ireo tanora 7 hisolo tena an'i Madagasikara any Estonie amin'ny Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny Robotika. Isaorana ny Stem 4 Good izay nampiray ireto tanora avy amin'ny faritra isan-karazany eto Madagasikara. Hanampy azy ireo ny...

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

Tontosa anio 15 Oktobra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa eo amin'ny Malagasy RUGBY sy ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo...