MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

RUGBY MALAGASY: NITSO-DRANO NY MAKIS AN’I MADAGASIKARA NY MINISITRA TINOKA ROBERTO.

Hanainga anio Alarobia 30 jona 2021 ireo ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny taranja Rugby izay ahitana ekipa telo (3) izay miisa 83 ny mandrafitra ny delegasiona Malagasy nandray ny sidina anio maraina izay ahitana mpilalao miisa 73, mpitabo 3, mpanazatra 3, lehiben’ny delegasiona 3, ary mpitsara 1.

Ny Makis seniors lehilahy à XV, hihazo ny Côte d’Ivoire izay hiatrika ny lalao fifanintsanana hiadiana izay ho tompondaka eran-tany ho atao any Frantsa ny taona 2023.

Ny Makis seniors Vehivavy à XV sy ny Makis U20 Lehilahy : hihazo an’i Kenya ary hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika.

Na dia be aza ny andraikitra hiantsorohan’Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena amin’izao fotoana izao dia tonga nankahery sy nitso-drano ny Makis an’i Madagasikara izy ary nanome vatsin-dalana tahaka ny fanaon’ny Ray aman-dReny amin’ny zanaka rehefa handeha hiatrika lalao lehibe tahaka izao, satria anisan’ny taranja manandanja lehibe tokoa ny rugby.

Tokana ny tanjona hoy ny Minisitra dia ny handrombaka ny amboara mba hamerenana ny hambopom-pirenena amin’ny alalan’ny Fanatanjahantena izay laharam-pahamehana ao amin’ny velirano faha 13 napetraky ny Filoha Andry RAJOELINA.

#Alefa_Rubgy

#Alefa_Madagasikara

RUGBY MALAGASY: LE MINISTRE DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS A PRESENTÉ SON SOUHAIT A L’EQUIPE DE MAKIS

Trois équipes nationales de Rugby représentera Madagascar. En effet, la délégation de 83 personnes avec 73 joueurs, 3 médecins, 3 entraîneurs, 3 chefs de délégations, et 1 juge s’envoleront ce mercredi 30 juin 2021. Le Makis seniors hommes à XV rejoint la Côte d’Ivoire pour le match éliminatoire du championnat du monde de rugby en 2023 en France. Les ladies Makis seniors XV et les Makis U20 Hommes partiront à Kenya pour disputer le championnat d’Afrique du Rugby.

Nonobstant les diverses préoccupations du Monsieur TINOKA Roberto, Ministre de la Jeunesse et des Sports, il est venu encourager les Makis de Madagascar en leur souhaitant réussite. En outre, le numéro un du sport malagasy, considérant le rugby comme l’une des disciplines les plus importantes, les a offert une enveloppe pour la route. « Notre seul objectif est de remporter le trophée pour la fierté nationale à travers le Sport qui est une priorité dans le 13ème Velirano prononcé par le Président Andry RAJOELINA » a affirmé le Ministre.

Alefa_Rubgy, Alefa_Madagasikara

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...