Hatao ny 19 ka hatramin’ny 28 Aogositra 2022 ao Kinshasa, Repoblika Demokratikan’i Congo Ny andiany faha-9 amin’ny lalao ny Frankôfonia.
Notanterahina androany 01 Jolay 2021 ny fivoriana ara-teknika voalohany ho fanomanana sahady ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’io lalao io, izay natao tao amin’ny Tranombokim-pirenena eo Anosy, taorian’ny fihaonana tamin’ny Komity Olaimpika malagasy. Fivoriana izay notarihin’ny Tale Jeneralymisahana ny Fanatanjahantena sy ny TaleJeneraly misahana ny Kolontsaina niaraka tamin’ny tale sy teknisianina isan-tsokajiny natao hametrapetrahana ny zavatra rehetra miandry ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena sy ny Ministeran’ny Serasera sy Kolotsaina mba ho fikarakarana sy fijerena mialoha izay tokony hatao rehetra ka hahatonga antsika ho tsara fiomanana.
PREMIÈRE RÉUNION DE PRÉPARATION POUR LES JEUX DE LA FRANCOPHONIE
La 9ème édition des Jeux de la Francophonie se tiendra du 19 au 28 août 2022 à Kinshasa, République Démocratique du Congo.
Après la rencontre avec le Comité Olympique Malagasy, la première réunion technique de préparation aux Jeux de la Francophonie s’est tenue aujourd’hui le 1er juillet 2021, à la Bibliothèque Nationale d’Anosy.
La réunion était présidée par le Directeur Général des Sports et le Directeur Général de la Culture avec la présence de différents directeurs et techniciens. Cette rencontre a pour objectif de mettre au point tout ce qui attend le Ministère de la Jeunesse et des Sports et le Ministère de la Communication et de la Culture afin de pouvoir anticiper.