Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ AndriamatoaTINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora syny Fanatanjahantena ao amin’ny Faritra Diana dia tonga nijery ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra ao Diego Suarezny tenany omaly Sabotsy 03 Jolay 2021.
Fitsidihana izay notronin-dRamatoa Jocelyne Maxime, filoha lefitry ny Antenimierampirenena sy ireo manam-pahefana eo an-toerana.
Hita nandritra izany fa mandroso ny asa fanamboarana satria dia efa mahatratra 81 % ny asa fanamboarana no efa vita.
Marihina fa ity kianja ity dia hahazaka olona 6000 ary vinavinaina ho vita afaka efa-bolana.
Nambaran’Andriamatoa Ministra tamin’ny valan-dresaka tamin’ireo mpanao gazety tao an-toerana fa mbola ho tonga ny seza izay hamenoana ny kianja ,izay mitovy amin’ny seza ao amin’ny kianja manarapenitra ao Barikadimy,Toamasina.
« Tsy misy ny faritra ho adino fa dia hitovy avokoa ny faritra rehetra, samy misitraka fotodrafitrasa kanto, sy mendrika natao indrindra mba ho entina hampandrosoana ny Fanatanjahantena sy ny Tanora ho fanatanterahana ny velirano faha 13 ».
Teo am-pamaranana ny fitsidihana dia niaraka nijery baolina tamin’ ireo tanora mpitia Fanatanjahantena ny Minisitra sy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.
Lalao baolina kitra tafiditra amin’ny andro fahatelo amin’ny fiadiana izay ho tompondaka ny Seksiôna Diego 1, izay nifanandrinan’ny FC MAMAMI sy FC RAMENA.
Nandritra izany dia nanolotra baolina ho an’ireo mpilalao ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
DIEGO : VISITE DU TERRAIN MANARAPENITRA
Durant sa mission dans la région de Diana, le samedi 03 juillet, le Ministre de la jeunesse et des sports a fait une descente pour voir de près les travaux de construction du stade Manarapenitra de Diego Suárez. En présence de Madame Jocelyne Maxime, Vice-présidente de l’Assemblée Nationale et les diverses autorités locales. 81% des travaux sont constatés déjà achevés, avec une capacité de 6000 personnes, on envisage que le stade sera prêt d’ici 4 mois. Pendant la conférence de presse organisée sur place, Monsieur le ministre a mentionné que des chaises identiques à celles des stades de Barikadimy à Toamasina équiperont le stade. Dans le but de permettre le développement des jeunes et du Sport, inscrit dans les velirano 13, toutes les régions bénéficient des mêmes infrastructures. À la fin de la mission, Monsieur le Ministre, les jeunes fanatiques du sport de la région, le Vice-président de l’Assemblée nationale ainsi que les diverses autorités locales se sont donnés rendez-vous pour un match de foot, 3ème jour de la compétition de la section Diego 1, rencontre entre FC MAMAMI et FC RAMENA, Monsieur le Ministre a profité de l’occasion pour les offrir des ballons de foot