MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

DIEGO: U- REPORT MADAGASIKARA.

Anjaran’ny Tanora tao Diego indray no nanaovana ny fanentanana  mahakasika ny U-report izay niarahana tamin’ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora eo anivon’ny Ministera ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Ramatoa Juliana RATOVOSON anio Alahady 4 jolay 2021 .

Marihina fa ny U-report dia sehatra iray hahafahan’ny tanora maneho ny heviny amin’ny fandefasana hafatra « ureport » amin’ny 301.

Entanina hatrany ny tanora rehetra manerana an’i Madagasikara hiditra ho U-reporter satria manan-danja ny feon’ny tanora.

 Hisy ny hetsika maro izay ho fanentanana ny tanora eto Diego mba hahatongavan’izy ireo ho  » U-reporter ».

#U_REPORT_MADAGASIKARA

#MANANDAJA_NY_FEOKO

DIEGO: U- REPORT MADAGASCAR.

Le dimanche 4 juillet 2021, le Ministère de la Jeunesse et des Sports, représenté par Le Directreur Général de la Jeunesse, Madame Juliana RATOVOSON, a procédé à la vulgarisation de U-Report Madagascar dans la ville de Diego.

Rappelons que le U-report est une plateforme où les jeunes peuvent s’exprimer et faire entendre leurs voix en envoyant un sms « ureport » au 301.

De nombreuses activités étaient prévues lors de cette visite pour inciter les jeunes de Diego à s’inscrire, car tous les jeunes de Madagascar sont appelés à devenir des U-reporters.

#U_REPORT_MADAGASCAR #MA_VOIX_COMPTE

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...