MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

ANTSIRANANA:FANOLORANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY IREO FITAOVANA HO AN’NY TRANOBEN’NY TANORA.

Nandritra ny fidinana ifotony izay nataon’ Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena TINOKA Roberto tao amin’ny renivohi-paritra DIANA dia tontosa ny alatsinainy 5 Jolay 2021 ny fanolorana « Dortoir » misy fandriana 18 ho an’ny Tranoben’ny Tanora ao Diego. Raha tsiahivina dia vao ny volana martsa lasa teo ity tranoben’ny Tanora ity no nandray fampitaovana informatika sy nohavaozina amin’ny endriny kanto ho mendrika ho an’ny tanora. Izany no tanteraka dia noho ny fifamatoram-piarahamiasa eo amin’ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena sy ny UNFPA.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia nambarany fa natao ho fanomezan-danja ireo tanora ao an-toerana izao fotodrafitrasa izao mba hahafahan’izy ireo manatrika fiofanana maro sy mifanakalo traikefa amin’ny Tanora ivelan’ny Faritra.

Marihina fa ahitana efitrano fiofanana, efitrano fialam-boly, efitrano famakiam-boky, efitrano fikirakirana solosaina misy internet ary efitrano fatoriana na « Dortoir » izay nasiana fandriana miisa 18 navaozina amin’ny endriny kanto sy tsaratsara kokoa.

« Ireo fotodrafitrasa ho an’ny Tanora, na ireo ho an’ny Fanatanjahantena dia samy hoentina sahady hanomanana ny lalao ny nosy andiany faha 11 na ny Jeux des îles de l’Océan Indien izay ho raisintsika eto Madagasikara ny taona 2023, koa tsy ho diso anjara amin’izany ny Tanora ao Diego Suarez ».

Teo am-pamaranana dia nanolotra fisaorana manokana ho an’Andriamatoa filoha hajaina Andry RAJOELINA ny tenany,sy ireo mpiara miombon’antoka rehetra toa an’Andriamatoa NGOY KISHIMBA izay tonga nisolo tena ny UNFPA.

DIEGO-SUAREZ: PRÉSENTATION OFFICIELLE DES ÉQUIPEMENTS POUR LA MAISON DES JEUNES.

Lors de la visite, menée par le Ministre de la Jeunesse et des Sports TINOKA Roberto dans la région DIANA, le lundi 5 juillet 2021, a eu lieux la présentation du dortoir comportant 18 lits pour la Maison des Jeunes. Pour rappel, cette Maison des Jeunes a déjà reçu du matériel informatique et a été rénover de façon à convenir aux jeunes.

Au cours de son discours, le Ministre TINOKA Roberto a énoncé que l’installation est conçue pour autonomiser les jeunes locaux afin qu’ils puissent assister à de nombreuses formations et échanger des expériences avec des jeunes en dehors de la région. A noter que la Maison des Jeunes se compose d’une salle de formation, d’une salle de loisirs, d’une salle de lecture, d’une salle informatique doté de connexion internet et d’un dortoir équipé de 18 lits rénovés dans un style plus élégant et moderne.

Ces infrastructures de la Jeunesse et des Sports sont mises en place pour préparer la 11e édition des Jeux des îles de l’Océan Indien que Madagascar accueillera en 2023, la Jeunesse de Diego Suarez ne manquera pas cet événement. A la fin de son discours, Monsieur le Ministre tenait lui-même à remercier l’Honorable Président Andry RAJOELINA, et tous les partenaires tels que l’UNFPA représenté par M. NGOY KISHIMBA lors de cet évènement.

Autre Articles

DIEGO: U- REPORT MADAGASIKARA.

DIEGO: U- REPORT MADAGASIKARA.

Anjaran'ny Tanora tao Diego indray no nanaovana ny fanentanana  mahakasika ny U-report izay niarahana tamin'ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora eo anivon'ny Ministera ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Ramatoa Juliana RATOVOSON anio Alahady 4 jolay 2021 . Marihina...

ANTSIRANANA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA

ANTSIRANANA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Nandritra ny fidinana ifotony nataon' AndriamatoaTINOKA Roberto,  Minisitry ny Tanora syny Fanatanjahantena ao amin'ny Faritra Diana dia  tonga nijery  ny asa fanamboarana ny  kianja manarapenitra ao Diego Suarezny tenany omaly Sabotsy 03...

MORONDAVA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA VAOVAO.

MORONDAVA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA VAOVAO.

Tonga nidina ifotony nijery ny fandroson'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Morondava ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto androany 24 Jona 2021. Nanotrona azy tamin'izany ny Mpandrindra Jeneraly misahana ny Tetikasa...