MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

DIEGO: FIHAONAN’ANDRIAMATOA MINISITRA TAMIN’IREO TANORA.

Nanokana fotoana ihainoana ny tanora Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto nandritra ny fandalovany tao amin’ny tranoben’ny tanora. Afaka naneho ny heviny araka izany ireo tanora, nitondra ny fitarainana ny amin’ny olana mianjady amin’izy ireo ary nangataka fampitaovana ho an’ny fialamboly izay tsapa tokoa ny tsy fahampiany raha ny ao Antsiranana.

Faly ny tanora tao Antsiranana naneho ny talentany sy ny fahaiza-manao tamin’ny endriny maro samy hafa. Zava-dehibe hoy Andriamatoa Minisitra ny fihainona ny tanora toy izao satria miainga avy ety ifotony no ahafahana mahalala ny filan’ny tanora.

Nankasitraka izany ny Tanora eto amin’ny faritra DIANA, mahatsiaro fa manana zoky, manana Ray mpiahy izy ireo.

DIEGO: RENCONTRE ENTRE LE MINISTRE ET LES JEUNES LOCAUX.

Le Ministre a rencontré les jeunes lors de son visite dans la maison des jeunes de Diego. Lors de l’échange, les jeunes ont pu exprimer leurs idées et leur point de vu sur la situation générale de la jeunesse; ils ont également profité de cette visite pour présenter leur besoin en termes de loisir et de distraction qui manque réellement dans la ville de Diego.

Les jeunes ont apprécié la visite du Ministre et ont exprimé leurs joies avec leurs talents. Le Ministre a affirmé l’importance qu’il faut accorder aux jeunes et il est primordial de leur attribuer une place plus importante dans la société. Les jeunes de la région Diana ont accueilli le Ministre avec joie et l’on considéré comme étant leur parrain.

Autre Articles

TOAMASINA: FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO AN-TOERANA

TOAMASINA: FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO AN-TOERANA

Nisy ny fampiofanana ireo tanora izay natao tao amin'ny Centre Regionale de la Jeunesse et des Sports (CRJS) Toamasina izay nifarana anio 27 Aogositra 2021. Nandritra ny fidinana ifotony izay notanterahin-dRamatoa Juliana RATOVOSON Minisitra lefitra,Anio zoma 27...

FIFANINANANA TSIPY KANETIBE « GRAND OPEN ANALAMANGA »

FIFANINANANA TSIPY KANETIBE « GRAND OPEN ANALAMANGA »

Taorian'ny fitokanana ny kianja manarapenitra filalaovana tsipy kanetibe " FITARATRA 2023", tao Tongarivo, kaomina Tanjombato, ny zoma lasa teo dia nisy avy hatrany ny fifaninanana "Festival de Pétanque Grand Open Analamanga". Niisa 252 ireo ekipa olona telo miaraka...