MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TOLIARA:FITSOFAN-DRANO AN’ANDRIAMATOA SITENY RANDRIANASOLONIAIKO

Taorian’ny nahavoafidy an’Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO ho filohan’ny fikambanamben’ ny Judo eto Afrika no sady filoha lefitry ny federasiona iraisam-pirenena ny Judo ,dia notsenain’ny vahoakan’i TOLIARA tamin’ny fomba manetriketrika ny fahatongavany tao an-toerana anio 7 Jolay 2021.

Tonga nanome voninahitra azy tamin’izany ny filohan’ny Antenimierampirenena Ramatoa Christine RAZANAMAHASOA, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa TINOKA ROBERTO ary ireo manam-pahefana maro isan-tsokajiny manerana an’i Madagasikara.

Anisany tonga nanome voninahitra izany fotoan-dehibe izany koa ny Filohan’ny federasiona sasantsasany.

Nandritra ny lahateny nataon’Andriamatoa TINOKA Roberto no nilazany fa mahatafavoaka olona vanona i Toliara raha eo amin’ny lafiny Fanatanjahantena ary hita amin’izao fa tena mandroso tokoa ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Porofon’izany hoy izy ireo vokatra maro azontsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Nirary soa an’Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO ny tenany hahaleo hahalasana amin’izao adidy goavana iantsorohany izao ary nambarany fa porofo izao fa ny mpanao Fanatanjahantena dia mifankatia sy mifanohana mandrakariva.

Tetsy ankilan’izany dia fisaorana bevata mandrakariva no natolotr’Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO ho an’ireo olona rehetra nanohana azy ary anisany nisaorany tamin’izany ny Minisitry Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nanampy azy tanteraka tao anatin’ny fanomanana ny fifidianana azy.

TOLIARA: Monsieur SITENY RANDRIANASOLONIAIKO accueilli à bras ouvert.

 Suite à son élection au poste de président de l’Union Africaine de Judo, l’actuel président de fédération malagasy de judo a été accueilli à bras ouvert par les tuleariens ce 07 juillet 2021. Aussi, La présidente de l’Assemblée nationale, Madame Christine RAZANAMAHASOA, Monsieur Tinoka ROBERTO, Ministre de la Jeunesse et des Sports, quelques présidents des fédérations ainsi que les autorités locales ont été présent pour l’accueillir. D’une part, Monsieur TINOKA Roberto a affirmé, durant son allocution, que le président SITENY RANDRIANASOLONIAIKO est la preuve irréfutable que désormais, le sport malagasy progresse. En effet, les nombreux résultats que nous obtenons à l’échelle internationale révèlent notre progression dans le domaine du sport. À cette même occasion, il lui a souhaité toutes les chances à ses côtés pour cette grande responsabilité et a déclaré que ceci est la preuve que les athlètes s’aiment et se soutiennent toujours. D’autre part, Monsieur Siteny RANDRIANASOLONIAIKO a exprimé son remerciement pour toutes les personnes qui lui ont soutenu plus particulièrement le Ministre de la Jeunesse et des Sports qui l’a pleinement aidé dans la préparation de son élection.

Autre Articles

DIEGO: U- REPORT MADAGASIKARA.

DIEGO: U- REPORT MADAGASIKARA.

Anjaran'ny Tanora tao Diego indray no nanaovana ny fanentanana  mahakasika ny U-report izay niarahana tamin'ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora eo anivon'ny Ministera ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Ramatoa Juliana RATOVOSON anio Alahady 4 jolay 2021 . Marihina...

ANTSIRANANA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA

ANTSIRANANA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Nandritra ny fidinana ifotony nataon' AndriamatoaTINOKA Roberto,  Minisitry ny Tanora syny Fanatanjahantena ao amin'ny Faritra Diana dia  tonga nijery  ny asa fanamboarana ny  kianja manarapenitra ao Diego Suarezny tenany omaly Sabotsy 03...

MORONDAVA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA VAOVAO.

MORONDAVA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA VAOVAO.

Tonga nidina ifotony nijery ny fandroson'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Morondava ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto androany 24 Jona 2021. Nanotrona azy tamin'izany ny Mpandrindra Jeneraly misahana ny Tetikasa...